· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Solovava tamin'ny Jolay, 2013

Mpanao Gazety Iray Hafa Nosamborina tao Zambia

GV Mpisolovava  28 Jolay 2013

Taorian'ny nisamborana an'i Wilson Pondamali sy nisavan'ny polisy ny tranony, nolazain'ny mpiserasera fa tsy hita idirana intsony ny tranokanam-pampahalalam-baovao mahaleotena Zambian Watchdog ao Zambia.

MERCOSUR Sy Ny Hoavin'ny Aterineto Any Amerika Latina

GV Mpisolovava  24 Jolay 2013

Ny Zoma lasa teo, namoaka fanambarana hentitra manohitra ny fanaraha-maso goavana ataon'ny governemantan'i Etazonia ny olom-pirenena ao aminy ireo mpitondra ambony ao amin'ny governemantan'i Amerika Latina nandritra ny fihaonana maika nataon'ny MERCOSUR, firaisana ara-toekarena sy ara-diplomatikan'ireo mpitarika any Amerika Atsimo. Manakaiky io fihaonana io, nisy vondron'olona mafana fo, mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony ary Fikambanana tsy miankina avy ao Amerika Latina nanoratra taratasy misokatra [es] ho an'ny MERCOSUR, manasa ireo mpitondra haka ny hevitry ny fiarahamonina sivily mba hananganana politika miaro ny zon'olombelona ao amin'ny faritra

Ireo pejinay momba an i Solovava

Advocacy