· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Solovava tamin'ny Marsa, 2013

Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto

Manamarika ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto ny 12 Martsa. Tamin'ny 2008 no voalohany indrindra nikarakaran'ny Reporters Without Borders, vondrona iraisam-pirenena mpisolovava ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto, izay niantsoana ireo mafana fo, hetsika sy fikambanana maneran-tany handray anjara amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny olona mandrafitra azy ireo ny lanjan'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.

#FreeBassel: Herintaona Aty Aoriana, Mbola Any Am-ponja Ity Mpiserasera Syriana Ity

GV Mpisolovava  17 Marsa 2013

Herintaona omaly no nosamborina sy nampidirina am-ponja ao Damaskosy ilay mpikirakira web sy mpiaro ny teknolojia mivelatra Syriana Bassel Khartabil, mbola any am-ponja izy hatramin'izao. Anisan'ireo mpiaro ny teknolojia misokatra fantatra amin'ny anarana hoe Bassel Safadi izy, lehilahy 31 taona izay anisany nitarika ny  Creative Commons ho an'i Syria ary niasa...

Miaramila Amerikana Namoaka Vaovao Tany Amin'ny WikiLeaks

GV Mpisolovava  10 Marsa 2013

Nohenoina nandritra ny fitsarana ara-miaramila natao azy ilay miaramila Amerikana sady mpampianga, Bradley Manning tamin'ny herinandro lasa teo mba hanazava amin'ny fiteniny manokana, ny antony nahantonga azy namoaka tahirin-kevitra miaramila saropady an'arivony tao amin'ny habaka WikiLeaks. Eto no ahitana dika tsy ofisialin'ny fijoroana vavolombelona izay narakitr'ilay mpanao gazety Alexa O’Brien. Nilaza tamin'ny  fitsarana i...

“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Ireo Sehatra Tsy Andairan'ny Copyright Any Shily

GV Mpisolovava  09 Marsa 2013

Tsy afaka hamboniana ny fahazaran'ny RuNet hanamafy ny fanazavana ny paikadin'ny firaisana tsikombakomba aminà hetsika iray mitranga. Miaraka amin'ity lahatsary vaovao avy amin'ny hetsika fanentanana #NoTemasaInternet (Aza Matahotra Ny Aterineto) ity, asehon'ny ONG Derechos Digitales ireo sehatra tsy iharan'ny copyright misy any Shily . Te.hamporisika antsika hampiasa azy ireny tsy am-pihambahamba ihany koa izy ireo. Zontsika izany!

[Lahatsary] “Aza Matahotra Ny Aterineto”: Ny Wikipedia, Ny Fizakà-manana, ary Ny Fahalalahana Miteny Ao Anaty Aterineto

GV Mpisolovava  03 Marsa 2013

Anatin'ity fanadihadiana vao haingana avy ao amin'ity fanentanana #NotemasaInternet ity (Aza matahotra ny Aterineto) mikasika ny fizakà-manana ao anaty aterineto ity, niresaka tamin'i Osmar Valdebenito izahay, filohan'ny Wikimedia ao Arzantina (sady filohan'ny sampana Shiliana teo aloha), fikambanana izay mandrindra sy manao izay hisian'ny fotodrafitrasan'ny Wikipedia eran-tany

Ireo pejinay momba an i Solovava

Advocacy