· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Solovava tamin'ny Marsa, 2012

Bahrain: Aiza i Ali Abdulemam?

GV Mpisolovava  18 Marsa 2012

Koa satria manopy maso isan'andro ny hafatra sy fanamarihana ao amin'ny pejiko Facebook aho, dia manopy maso koa ny mombamomba an'i Ali Abdelemam. Isanandro dia manontany tena aho raha misy lahatsoratra avy any aminy. Isan'andro dia manopy ny masoko aho amin'ny rindriny mba hijery izay lahatsoratra sy sary avy amin'ny fianakaviany, ary manantena farafaharatsiny mba afaka mahalala zava-bitika mikasika azy. Manontany ireo namana sy mpiara-mifarimbona amiko ao Bahrain mikasika an'i Ali aho, ary dia tsy misy mahalala izay niafarany ny olona. Manontany tena aho hoe mba aiza izao i Ali amin'izao fotoana. Ali, raim-pianakaviana niteraka telo, nanjavona ary namela antsika haminany izay niafarany. Inona no antony nanjavonany?

Mametraka Lalàna Fanaraha-maso Mampiahiahy i Meksika

GV Mpisolovava  08 Marsa 2012

Nametraka lalàna fanaraha-maso ankehitriny ny mpanao lalàna Meksikana , izay nanome fahafahana maimaim-poana tsy ilàna didy avy amin'ny fitsarana ny mpitandro filaminana hiditra amin'ny fanarahana ny misy ny olona iray ara-jeografika. Saika ny maro mihitsy ny nanaiky tanteraka io volavolan-dalàna io tamin'ny vato mpomba 315, mpanohitra 6 , ary tsy naneho hevitra 7. Nalefa tany amin'ny filoha izany mba ho ankatoaviny.

Ireo pejinay momba an i Solovava

Advocacy