Tantara misongadina mikasika an'i Fisoloana vava
Venezoela: Voabahana Nandritra Ny “Telo Minitra” Ny Aterineto Tamin'ny Androm-Pifidianana

Ny hariva be tamin'iny Alahady 14 Aprily androm-pifidianana tao Venezoela iny, tapaka ny fahafahana miditra aterineto tamin'ny alàlan'ny CANTV, ilay voalohany mpanome tolotra ao amin'ny firenena, efa ho roapolo minitra hoy ny filazan'ireo mpampiasa azy io ary "tsy nihoatra ny telo minitra" hoy ny manampahefana..
-
[Lahatsary] “Aza Matahotra Ny Aterineto”: Ny Wikipedia, Ny Fizakà-manana, ary Ny Fahalalahana Miteny Ao Anaty Aterineto
03/03/2013
-
Toro-lalana Amin'ny Fananganana Pejy Facebook Misy Fiantraikany
24/01/2013
-
#DELETECONTROL/: Fanentanana Hanoherana Ny Famoretana Aty Anaty Aterineto
23/01/2013
-
Avotsory i Bassel: Mpampiasa Aterineto Tandindonin-doza
13/01/2013
-
Venezoela: Nanaovana Bemidina Ny Tranon'ny Mpampiasa Twitter Iray
13/01/2013
Tantara farany mikasika an'i Fisoloana vava
10/05/2013
Bilaogera Etiopiana Higadra 18 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandikana Ny Lalampanorenana

Tao amin'ny habaky ny Electronic Frontier Foundation no nahitana ity lahatsoratra ity voalohany. Nasiam-panovana izany ho an'ireo mpamaky ny Global Voices Advocacy. Tamin'ny 1 Mey, nohamafisin'ny Fitsarana Tampony Etiopiana ny fiampangana sy...
07/05/2013
Kamerona: Enoh Meyomesse, Bilaogera Mbola Any Am-ponja

Mpanoratra Kamerone sady mpibilaogy atao hoe Enoh Meyomesse no voafonja any Yaoundé, renivohitr'i Kamerona, nandritra ny 17 volana mahery. Voahendrikendrika ho nangalatra sy nivarotra volamena tsy ara-dalàna izy, nohelohin'ny tribonaly miaramilan'i Yaoundé higadra nandritra ny fito taona an-tranomaizina izy, taorian'ny dingana maro izay heverin'ireo fikambanana maro ho tsy ara-drariny. Maro no miahiahy fa Meyomesse, izay nahazo ny Oxfam Novib/PEN Award tamin'ny 2013 ary ankehitriny mpikambana am-boninahitra ao amin'ny Foibe Amerikana PEN , dia miatrika fitsarana ara-politika izay mikasa hanakombonana vava ny iray amin'ireo olona manampahaizana izay tena miroborobo fatratra any Kamerona.
25/04/2013
#FreeRod (Fanafahana An'i Rodrigo): Fandresena Mialoha Tamin'ilay Raharaha Fakàn-Tahaka Maneso Tamin'ny Twitter

Nitatitra momba ilay mpisera Twitter Shiliana Rodrigo Ferrari, izay manana raharaham-pitsarana noho ny fampiasana kaonty Twitter maka-tahaka maneso ilay milionera Andrónico Luksic ny Global Voices Advocacy tamin'ny volana Marsa. Manam-baovao tsara momba izany...
21/04/2013
Meksika: Feo Hafa Nampanginina [NOHAVAOZINA]

Tamin'ny 7 avrily lasa teo, nisy mpiserasera amin'ny media sosialy fantatra fotsiny amin'ny hoe Valor Por Tamaulipas nanambara ny fikasany [es] hanakatona ny kaonty Facebook sy Twitter izay lasa nalaza ho loharanom-baovao momba ny herisetran'ny [trafika-na] rongony any avaratr'i Meksika.
02/04/2013
Voampanga Ho Naniratsira, Bilaogera Telo Voatàna Am-ponja Any Bangladesh

Nitazona bilaogera miisa telo ny Sampam-pitsikilovan'ny Polisy ao Bangladesh - Rasel Parvez, Mashiur Rahman Biplob & Subrata Adhikari Shuvo - omaly alina noho izay ambara fa nosoratan'izy ireo tsy manisy vidiny ny finoana Silamo sy ny mpaminany Muhammad. Hatramin'ny omaly, ilay sehatra malaza fitorahana bilaogy Amarblog.com dia lasa tsy azo nidirana intsony avy ao Bangladesh. Mbola mila fantarina ihany koa raha toa ka ny manampahefana no nibahana azy io ary noho ny antony inona.
Pakistana: Ny Fanentanana “Access Is My Right” (Zoko Ny Miditra)

Ny ONG Pakistane Bytesforall mpiaro ny zo amin'ny aterineto dia nanomboka fanentanana ety anaty aterinto mikasika ny fitantavànana sy ny sivana ety anaty aterineto. Ilay fanentanana, antsoina hoe "Access Is My Right," dia mikendry ny hanaitra ny sain'ireo mpampiasa aterineto mikasika ny politika sy ny fomba fampiasa izay mametraka teritery amin'ny zo haneho hevitra malalaka ety anaty aterineto
17/03/2013
Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto

Manamarika ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto ny 12 Martsa. Tamin'ny 2008 no voalohany indrindra nikarakaran'ny Reporters Without Borders, vondrona iraisam-pirenena mpisolovava ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto, izay niantsoana ireo mafana fo, hetsika sy fikambanana maneran-tany handray anjara amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny olona mandrafitra azy ireo ny lanjan'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.
#FreeBassel: Herintaona Aty Aoriana, Mbola Any Am-ponja Ity Mpiserasera Syriana Ity

Herintaona omaly no nosamborina sy nampidirina am-ponja ao Damaskosy ilay mpikirakira web sy mpiaro ny teknolojia mivelatra Syriana Bassel Khartabil, mbola any am-ponja izy hatramin'izao. Anisan'ireo mpiaro ny teknolojia misokatra fantatra...
10/03/2013
Miaramila Amerikana Namoaka Vaovao Tany Amin'ny WikiLeaks

Nohenoina nandritra ny fitsarana ara-miaramila natao azy ilay miaramila Amerikana sady mpampianga, Bradley Manning tamin'ny herinandro lasa teo mba hanazava amin'ny fiteniny manokana, ny antony nahantonga azy namoaka tahirin-kevitra miaramila saropady an'arivony...
04/01/2013
Fanapaha-Kevitra 10 Vaovao Hiarovana Ny Fampiasana Ny Aterineto Amin'Izao Taona 2013 Izao

Misahana manokana ny fiarovana ny fahalalaham-pitenenana amin'ny aterineto izahay ato amin'ny Global Voices Advocacy (GVA) . Efa namoaka toro-lalana sy fitaovana izahay hahafahan'ireo mpiserasera hikirakira am-pilaminana ny aterineto, hanakana ny sivana sy...






























RSS ho an i Fisoloana vava 









Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa