· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Hafanam-po tamin'ny Mey, 2013

Kamerona: Enoh Meyomesse, Bilaogera Mbola Any Am-ponja

GV Mpisolovava  07 Mey 2013

Mpanoratra Kamerone sady mpibilaogy atao hoe Enoh Meyomesse no voafonja any Yaoundé, renivohitr'i Kamerona, nandritra ny 17 volana mahery. Voahendrikendrika ho nangalatra sy nivarotra volamena tsy ara-dalàna izy, nohelohin'ny tribonaly miaramilan'i Yaoundé higadra nandritra ny fito taona an-tranomaizina izy, taorian'ny dingana maro izay heverin'ireo fikambanana maro ho tsy ara-drariny. Maro no miahiahy fa Meyomesse, izay nahazo ny Oxfam Novib/PEN Award tamin'ny 2013 ary ankehitriny mpikambana am-boninahitra ao amin'ny Foibe Amerikana PEN , dia miatrika fitsarana ara-politika izay mikasa hanakombonana vava ny iray amin'ireo olona manampahaizana izay tena miroborobo fatratra any Kamerona.