· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Hafanam-po tamin'ny Novambra, 2012

Tetikasa Fandikanteny: Fanambarana Fiarovana Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ankapobeny

GV Mpisolovava  21 Novambra 2012

Nandritra ity herinandro manontolo ity, handika fanangona-tsonia amin'ny aterineto ho fiarovana ny zon'olombelona amin'ny aterineto sy handrisika ireo governemanta mpikambana ao amin'ny Firaisambe Iraisam-pirenena misahana ny Fifandraisan-davitra mba hitandro ny fisokafan'ny aterineto mandritra ny fivoriamben'ny UIT ireo mpilatsaka an-tsitrapo mpandika teny Lingua ato amin'ny Global Voices. Misokatra ho an'ny tsirairay na fikambanana ao amin'ny fiarahamoni-pirenena soniavina ny...

Mibilaogy Amin'ny Anaran'i Hamid

GV Mpisolovava  20 Novambra 2012

  Efa ela i Antonella no tsy nibilaogy. Tamin'ny 25 Aprily 2012 izy no nibilaogy farany, toy izao no nosoratany tamin'izany: “Ry namana Hamid, Isan'andro no ahitako ny halehibiazan'ny fo, tahaka ny fitazanan-toerandavitra vaovao eny amin'ny faravodilanitra, izay mifamahofaho lavitra sy haingana eny ny alahelo, ny fanantenana, ny famelàna, ny...

Shina: Sombin-Tantara Noforonina Fohy no Nitazonana Ilay Mpisiokantserasera Monina Ao Beijing

GV Mpisolovava  19 Novambra 2012

Mpisera Twitter ao Beijing @Stariver no notànana nanomboka tamin'ny 7 Novambra 2012, tamin'ny fanombohan'ny Kongresy Nasionaly faha-18n'ny Antoko Komonista Sinoa. Araka ny filazan'ny namany izay nitsidika ny fianakaviany tamin'ny 17 Novambra, ny fialàna bala mody nataon'ny polisy dia “voarohirohy ho nanaparitaka vaovao tsy marina sy mampihorohoro tamin'ny aterineto” i @stairver. Angamba mikasika...

Miaro Ny Aterineto Misokatra : Miray Hina Ireo Mafana Fon'ny Aterineto

GV Mpisolovava  13 Novambra 2012

Mandrindra ny fisoloana vava ho amin'ilay valan-dresaky ny International Telecommunication Union atao tsy ho ela ireo mpampiasa aterineto eran-tany, izay hanapahan-ireo mpikambana ao amin'ny fanjakana hevitra na tokony handrakotra ireo olana mikasika ny politikan'ny Aterineto—ireo antontan-taratasy mikasika ireo fifanekena izay tafavoaka aty ivelany, isan'izany ireo soso-kevitra amin'ny fampanarahan-dalàna eran-tany izay mety hametraka fetrany amin'ny tsiambarantelo anaty aterineto, ny fahalalahana miteny, ny fahahafahana hahazo fampahalalam-baovao sy ny ny fampiasàna ny ICT eran-tany— ny ITU. Fantaro ny fomba ahafahanao mandray anjara anatin'io ezaka io.

Azerbaijan: “Firenena manaratsy ireo mpampiasa tambajotra sosialy ho marary saina”

GV Mpisolovava  10 Novambra 2012

Raha tany amin'ny fifidianana filoham-pirenena tany Etazonia ny mason'ny rehetra, nisy fivoriana iraisam-pirenena kosa nanomboka tamin'ny Talata tany Baku, renivohitr'ilay Repolika Sovietikan'Azebaijan taloha. Ny Valan-dresaka ho an'ny Fitantanana ny Aterineto (IGF) faha-fito karakarain'ny Firenena Mikambana dia mitaky ny fitondràna ireo "mpandray anjara rehetra" ho mpiara-miasa mitovy mba hiadian-kevitra momba ireo olana lehibe mifandraika amin'ny hoavin'ny aterineto, ary koa ireo olan'ny fitsipika, fandrindràna, ary mazava ho azy, ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto.