· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Hafanam-po tamin'ny Mey, 2011

Nepal: Manoratra mikasika ny Fikomiana sy ny Fanivànana ao amin'ny Facebook

GV Mpisolovava  29 Mey 2011

Nitondra rivo-panovana tany Nepal ny lohataona Arabo. Ny Asabotsy 7 Mey, niangona teo akaikin'i Maitighar manodidina an'i Kathmandu renivohitra mba hangataka ny famahana araka izay haingana ny fiziriziriana nisy tato ho ato vokatry ny hatak'andro amin'ny fananganana lalàmpanorenana vaovao ny vondron'ny tanora.

Azerbaijan: Tanora Mafàna Fo Voaheloka

GV Mpisolovava  10 Mey 2011

Jabbar Savalan, tanora 20 taona, mafana fo amin'ny fanoherana, voasambotra tao Azerbaijan tamin'ny 5 Febroary, dia voampanga hifonja roa taona sy tapany noho ny fihazonana zava-mahadomelina. Na izany aza, ireo namany sy mpanohana azy ary ireo mpampahalala vaovao maro mpanara-maso ny resaka fahalalahana sy zon'olombelona ihany koa, dia manohana ny hoe notazonina i Javalan noho ireo antso nataony tao amin'ny Facebook ho fikarakarana hetsi-panoherana ao Azerbaijan taorian'ireo hetsi-bahoaka tany Tonizia sy Ejipta.

Nosoloin'i Syria Sertifika Sandoka Ve Ny An'ny Facebook Momba Ny Fiarovana Ireo Mpampiasa Azy?

GV Mpisolovava  10 Mey 2011

Ana Souri [Siriana aho, amin'ny teny Arabo] mpampiasa ny sehatra fitorahana bilaogy tumblr dia manamafy[ar] fa ny Ministeran'ny Fifandraisan-davitra Siriana dia nanolo ny sertifika mikasika ny fiarovana tao amin'ny Facebook tamina iray hafa sandoka izay manamora ny fahafahana mitsikilo ireo mpampiasa azy, mitahiry ny tenimiafina ampiasainy, ary mijery ny vontoaty azy ireo manokana.