Tantara misongadina mikasika an'i Hafanam-po
Toro-lalana Amin'ny Fananganana Pejy Facebook Misy Fiantraikany

Nalefa voalohany tao amin'ny habaka rahavavy Rising Voices ity lahatsoratra ity. Tsy asa mora ho an'ny fikambanana madinika sy ireo mpikatroka ny miara-mametraka paikady amin'ny pejy Facebook, ary mety hampisavoritaka...
-
Avotsory i Bassel: Mpampiasa Aterineto Tandindonin-doza
13/01/2013
-
Fanapaha-Kevitra 10 Vaovao Hiarovana Ny Fampiasana Ny Aterineto Amin'Izao Taona 2013 Izao
04/01/2013
-
Bahrain: Voafonja Noho Ny Sioka Nataony Ilay Mpikatroka Ny Zon'olombelona
02/01/2013
-
Miresaka Fahamarinana: Feo Manohitra Ny Tsimatimanota
08/12/2012
-
Tetikasa Fandikanteny: Fanambarana Fiarovana Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ankapobeny 21/11/2012
Tantara farany mikasika an'i Hafanam-po
07/05/2013
Kamerona: Enoh Meyomesse, Bilaogera Mbola Any Am-ponja

Mpanoratra Kamerone sady mpibilaogy atao hoe Enoh Meyomesse no voafonja any Yaoundé, renivohitr'i Kamerona, nandritra ny 17 volana mahery. Voahendrikendrika ho nangalatra sy nivarotra volamena tsy ara-dalàna izy, nohelohin'ny tribonaly miaramilan'i Yaoundé higadra nandritra ny fito taona an-tranomaizina izy, taorian'ny dingana maro izay heverin'ireo fikambanana maro ho tsy ara-drariny. Maro no miahiahy fa Meyomesse, izay nahazo ny Oxfam Novib/PEN Award tamin'ny 2013 ary ankehitriny mpikambana am-boninahitra ao amin'ny Foibe Amerikana PEN , dia miatrika fitsarana ara-politika izay mikasa hanakombonana vava ny iray amin'ireo olona manampahaizana izay tena miroborobo fatratra any Kamerona.
02/04/2013
Pakistana: Ny Fanentanana “Access Is My Right” (Zoko Ny Miditra)

Ny ONG Pakistane Bytesforall mpiaro ny zo amin'ny aterineto dia nanomboka fanentanana ety anaty aterinto mikasika ny fitantavànana sy ny sivana ety anaty aterineto. Ilay fanentanana, antsoina hoe "Access Is My Right," dia mikendry ny hanaitra ny sain'ireo mpampiasa aterineto mikasika ny politika sy ny fomba fampiasa izay mametraka teritery amin'ny zo haneho hevitra malalaka ety anaty aterineto
17/03/2013
Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto

Manamarika ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto ny 12 Martsa. Tamin'ny 2008 no voalohany indrindra nikarakaran'ny Reporters Without Borders, vondrona iraisam-pirenena mpisolovava ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto, izay niantsoana ireo mafana fo, hetsika sy fikambanana maneran-tany handray anjara amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny olona mandrafitra azy ireo ny lanjan'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.
10/03/2013
Miaramila Amerikana Namoaka Vaovao Tany Amin'ny WikiLeaks

Nohenoina nandritra ny fitsarana ara-miaramila natao azy ilay miaramila Amerikana sady mpampianga, Bradley Manning tamin'ny herinandro lasa teo mba hanazava amin'ny fiteniny manokana, ny antony nahantonga azy namoaka tahirin-kevitra miaramila saropady an'arivony...
25/02/2013
Zambia: Sinoa Manampahaizana Hanaramaso Ny Aterineto Hoe?

Voalaza fa nanakaràma Sinoa manampahaizana ny governemanta Zambiana mba hametraka fitaovana fanarahamaso miafina ny aterineto ao amin'ny firenena. Efa nitsidika ireo orinasa ny iraka avy amin'ny Biraon'ny Filoham-pirenena sy ireo manampahaizana manokana amin'ny teknolojia hitsidika ny toeram-piasàny sy handalina ny fotodrafitrasa ampiasain'ny tambajotran-dry zareo, mba hahafahan'ireo manampahefanaa mijery izay toerana ao anatin'ilay tambajotra hametrahana ny fanapaingorana , na ny 'varavarana miafina' hitsikilovany. Na ny manampahefana Zambiana, na ny Shinoa dia samy tsy nisy nety naneho hevitra mikasika ny fiarahan'izay ireo miasa
30/12/2012
15/12/2012
Andron'ny Zon'olombelona: Miaro Ny Fahalalam-pitenenana, Amin'ny Aterineto Sy Ivelan'ny Aterineto

Mankalaza ny Ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona (UDHR), izay nankatoavina tamin'ny 10 Desambra 1948 ny Andron'ny Zon'Olombelona [Human Rights Day]. Nanatontosa horonantsary momba ny zon'ny olona rehetra mba “hahatonga ny feon'izy ireo...
20/11/2012
Mibilaogy Amin'ny Anaran'i Hamid

Efa ela i Antonella no tsy nibilaogy. Tamin'ny 25 Aprily 2012 izy no nibilaogy farany, toy izao no nosoratany tamin'izany: “Ry namana Hamid, Isan'andro no ahitako ny halehibiazan'ny fo,...
19/11/2012
Shina: Sombin-Tantara Noforonina Fohy no Nitazonana Ilay Mpisiokantserasera Monina Ao Beijing

Mpisera Twitter ao Beijing @Stariver no notànana nanomboka tamin'ny 7 Novambra 2012, tamin'ny fanombohan'ny Kongresy Nasionaly faha-18n'ny Antoko Komonista Sinoa. Araka ny filazan'ny namany izay nitsidika ny fianakaviany tamin'ny 17 Novambra, ny...
15/11/2012
Andro Iraisam-pirenena Ho Famaranana ny Tsimatimanota: Mandraisa Anjara Amin'ny Hetsika Fanentanana

Nanapa-kevitra hanao ny 23 Novambra ho Andro iraisam-pirenena ho famaranana ny tsimatimanota i IFEX hitakiana ny rariny ho an'ireo mpanakanto, mpanao gazety, mpihira ary ireo mpanoratra eran-tany izay noterena hangina. Mandraisa anjara e!






























RSS ho an i Hafanam-po 








Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa