Tantara mikasika ny Fidirana

Voasakana any Gambia ny Chat Viber?

GV Mpisolovava  22 Avrily 2019

Milaza ireo manampahefana ao amin'ny governemanta fa manakana ny fidiram-bola tena ilain'ireo mpamatsy fifandraisandavitra eo an-toerana ny Viber sy ireo tolotra serasera hafa mifototra amin'ny Aterineto. Manolo-kevitra ireo tsikera fa mety anton'ireo fanakanana ny ahiahy ara-politika.

Fampiharana Walkie-Talkie, Zello voasakana ao Venezoela

GV Mpisolovava  17 Avrily 2019

Androany alakamisy maraina,  nanomboka nitatitra ny Venezoeliana mponin'ny aterineto fa tsy nandeha intsony tamin'ny finday ny Zello, ilay tsindrio raha hiresaka "walkie-talkie". Venezoeliana maro no nampiasa ity fampiharana ity mba handaminana sy hifanakalozana vaovao momba ireo hetsi-panoherana nihamitombo haingana nandritra ny valo ambin'ny folo andro farany teo.

Venezoela: Nakatona ny Sary amin'ny Twitter, mbola mitohy ny fihetsiketsehana

GV Mpisolovava  16 Avrily 2019

Omaly, roa andro taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanerana ny firenena, nitatitra olana maromaro amin'ny fidirana amin'ireo tranonkala sasantsasany ny mpiserasera Venezoeliana. Voalaza fa nosakanana ireo tranonkala maromaro, ary tsy afaka nijery sary sy lahatsary ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy ny mpisera Twitter, izay tena nilaina tamin'ny fifandraisana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.