The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena mikambana Tahiry Lohahevitra manokana

RSS ho an i Firenena mikambana

2009-09-30

Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet

Tamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny. Any anaty Twitter, be ny fanehoan-kevitra navoakan'ireo mpampiasa izany momba ilay kabary.

Voasakana tsy hiteny teo anivon'ny Firenena Mikambana ny solontena malagasyVideo post

Nitetika ny hampanaiky ny fitondrany, eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny fandraisam-pitenenana teo anivon'ny Firenena Mikambana tao New York, i Andry Rajoelina izay tohanan'ny tafika, raha voasakana tsy hiteny. Miresaka momba izany ny mpamaham-bolongana sy ny mpisioka an-tserasera malagasy.