Tantara tamin'ny Teknolojia mampangarahara asa tamin'ny Novambra, 2012

Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina

  27 Novambra 2012

Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.

Hackathon Ho an'ny Daholobe: Ahoana ny Fanomanana Hackathon?

  23 Novambra 2012

Amin'ity lahatsoratra manaraka ity, ny vahiny, J.J. Merelo, Dokotera amin'ny Fizika sady Profesora ao amin'ny Anjerimanontolon'i Granada, Espaina, no miresaka amintsika ny zavaniainany tamin'ny fanomanana hackathon ara-panabeazana ho fanazavana ny Hackathon rezionaly Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012 [en] izay hotontosaina amin'ny volana ambony amin'ny Desambra

Brezila : Mangataka Fivoaran'ny Fanadiovana Ny Mponina Ao Rio

  19 Novambra 2012

Ny tetikasa 'Filàna fototra ny Fahadiovana' nosokafan'ny Fikambanana Meu Rio, dia nijoro ho modely amin'ny fampitomboana isa an' ireo fanentanana fanerem-bahoaka an-tserasera natsangan'ireo olom-pirenena sy ireo hetsi-piaraha-monina cariocas. Araka ny hevitry ny Fikambanana, 'Ny antsasaky ny mponina ao Rio de Janiero hatramin'izao dia tsy mbola manana rano sy famoahan-drano maloto".

Inona Marina Ny Hackathon? Ary Inona Ny Angon-Drakitra Misokatra?

  14 Novambra 2012

Efa nambaranay tany aloha ny hackathon manaraka ho an'ny faritra Amerika Latina : Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012. Saingy mety tsy fantatry ny mpamaky maro ny dikan'ny hackaton na ny antony ilàna azy. Eto izahay dia manandrana mamaly ireny fanontaniana ireny amin'ny famaritana, ohatra, ary lahatsary resadresaka roa miaraka amin'i Mariano Crowe, teratany Arzantina, hacker.