Tantara tamin'ny Teknolojia mampangarahara asa tamin'ny Oktobra, 2011
Andron'i Ada Lovelace : Mihetsika Ireo Vehivavy Fitaratra
Ny Andron'i Ada Lovelace (7 Oktobra) dia mikatsaka ny hampakàrana ny tahan'ireo vehivavy manao siansa, teknolojia, fianarana ho injeniera ary matematika amin'ny alalan'ny famporisihana ny olona manerana izao tontolo izao hiresaka momba ny vehivavy izay ankasitrahan'izy ireo ny asa ataony. Vakio ato ny fahatsiarovan'ny Global Voices.
Tontolo: Adihevitra Ao Anaty Aterineto Mikasika Ny Teknolojia Ho Amin'ny Mangarahara
Ny Hetsika Teknolojia ho amin'ny Mangarahara, iarahana amin'ny Paikady Vaovao amin'ny resaka Zon'Olombelona, dia manasa anao handray anjara amina dinidinika anaty aterineto momba ny 'Fampiasana Teknolojia mba Hampiroborobo ny Mangarahara'. Miaraha aminay hiresadresaka mikasika ireo hevitra vaovao, ireo fanamby, ireo risika sy tombontsoa.