Tantara tamin'ny Teknolojia mampangarahara asa tamin'ny Septambra, 2010

I Paid A Bribe (Nandoa tsolotra aho): Ezaka any India

  19 Septambra 2010

“Nanao kolikoly? tsy nanao? tsy nanan-tsafidy? nihàrany? tezitra?" I Paid a Bribe dia mandrisika ny olom-pirenena any India hizara ireo zava-niainany momba ny kolikoly, ary mampiasa ireny tranga ireny mba hamantarana ireo sampana sy dingana tena ahitàna kolikoly ao anivon'ny firenena.

Brezila: “Ataovinareo irery” Diovy ny Fifidianana

  14 Septambra 2010

Iray volana latsaka eo sisa dia hisy fifidiana eto Brezila ary ny Eleitor 2010 dia efa nanjary lasa mpilalao mpitondra fiovàna: io dia tetikasa iray "fanangonam-baovaoa ifotony" mikendry ny hanamorana ny fitateran'olon-tsotra ireo fanitsakitsahana ny lalam-pifidianna. Tamin'ny alalan'ilay sehatra, tantara mahatsikaiky vitsivitsy sahady no efa niseho masoandro.