Tantara mikasika ny Feo voarahona
Niantso ny Global Voices hamotsorana tsy misy hatak'andro ireo mpiasan'ny fampitam-baovao antserasera sy ny mpikatroka nogadraina
Namoaka fanambaràna ny vondrom-piarahamonina Global Voices manameloka ny fanagadrana bilaogera, mpiasan'ny fampitam-baovao sy ny mpikatroka an-tserasera hatrany Shina ka hatrany Bahrain.
Vao Mainka Mihemotra i Etiopia Amin'Izao Fisian'ny Fanamelohana An'I Eskinder Nega Izao
Ao amin'ity lahasoratry ny vahiny nasaina avy amin'ny Electronic Frontier Foundation ity, noraisina teo anatin'ny fampiharana ny ady amin'ny asa fampihorohoroana ataon'i Etiopia ny fanamelohana an'ilay blaogera Etiopiana Eskinder Nega .
FANAVAOZANA: Famotsorana Blaogera Gambiana Raha Ny Hatezerana Kosa Mitombo
Navotsotra i Jaw raha niomana hanao fihetseketsehana maro ireo mpianatra mba ho fitakiana ny famoahana tsy misy hatak'andro azy. Niteraka fanenjehana goavana teny anaty media sosialy ny fisamborana ilay blaogera tanora sady mpikatroka.
Mpisolovava Miantso ny Kaomisiôna Afrikàna, ny Manampahaizana avy Amin'ny Firenena Mikambana Mba Hirotsaka an-tSehatra Amin'ny Raharahan'ireo Bilaogeran'ny Zone 9
Nanatevina laharana an'ilay antso maika nalefa ho an'ireo mpampakatenin'ny Firaisambe Afrikàna sy ny Firenena Mikambana ny Global Voices mba hahazoana fanafahana tsy misy hatak'andro an'ireo bilaogeran'ny Zone9, ary hanambaràna ny fisamborana sy fitazonana azy ireo ho fanitsakitsahana mibaribary ny zo maha-olombelona azy ireo.
Blaogera Iray Sady Mpikatroka Mpiaro ny Zon'ny Vehivavy, Nogadraina Ao Gambia
Sady tsy manaiky no tsy mandà ny fisamborana an'i Sait Matty Jaw ireo manampahefana ao Gambia. Mivondrona eo amin'ny pejy Facebook Free Sait Matty Jaw ireo mpanohana azy.
Netizen Report: Manohintohinana ny fahalalaham-pitenenana indray, nandany lalànan'ny heloka antserasera ny parlemanta ao Ejypta
Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena, sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.
Aza Antsoina Hoe “Xi, ilay Pao (Mofo)” — Nogadraina Ireo Mpiserasera Shinoa Noho Ny Vazivazy Tamin'ny Karajia
Mampiseho ireo tranga telo ireo fa ny resadresaka amin'ny karajia ao Shina dia eo ambany ny fanarahamaso ary azo ampiasaina ho porofo amin'ny fanenjehana heloka bevava ireo karajia voarakitra.
#FindRaza: Fanentanana Amin'ny Media Sosialy Ho Amin'ny Fiverenan'ilay Mpikatroka Zon'Olombelona Pakistaney
Satria miandry ny fiverenany azo antoka ny fianakaviany, nanao fanentanana amin'ny media sosialy ny mpikatroka mba hanery ny manampahefana handray fepetra. Ny tenifototra #FindRaza no nampiasaina hitakiana ny famerenana azy.
#FreeBassel (#AfahoBassel): Any Ambadiky Ny Fàfan'ny Fanoherana Siriana
Manamarika ny tsingerintaona faharoan'ny fanagadràna an'i Bassel Khartabil , ilay Siriana mpikirakira tranonkala sady mpikatroka ny 15 Martsa 2014. Miresaka momba ny fisakaizany amin'i Bassel sy ny boky vao hosoratany ao amin'ny tantarany i Monique Doppert.
Syria: Mpanao Sariitatra Notazonina noho ny Fitsikerana an'i Assad
Mananda lafo izay Syriana mpanao sariitatra mampiseho ny toetran'i Bashar Al-Assad. Akram Rslan no tafiditra lisitra farany amin'ireo artista nisintaka ara-kevitra sy nanivaka antso tratran'ny faneriterena.