Tantara mikasika ny Ségou Villages Connection tamin'ny Avrily, 2012

Vohitr'i Ségou: Isan'ireo Mpifaninana Amin'ny Dingana Famaranana Amin'ny BOB I Boukary Konaté

Rising Voices  30 Avrily 2012

Misy galona hafa indray ny satrok'ilay mpikambana ao amin'ny tetikasan'ny Rising Voices sady mpandika tenin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay Boukary Konaté amin'ity taona ity. Tafiditra ao anaty lisitr'ireo hiatrika famanranana amin'ny Bilaogy Tsara indrindra (BOB) i Boukary, hetsika isan-taona karakarain'ny Vondrona Media Deutsche Welle hanomezana maripankasitrahana ho an'ireo bilaogy sy ireo mpitoraka bilaogy.