Tantara mikasika ny Ségou Villages Connection tamin'ny Janoary, 2012

Vohitr'i Ségou: Fitsidihana Amin'ny Lakana Ny Reniranon'i Niger Ho Fampahafantarana Ny Aterineto

Rising Voices  27 Janoary 2012

Mandray lalana mahaliana ny tetikasa Ségou Villages Connection any Mali, iarahana aminà tetikasan'ny UNESCO ho fitandroana ny lova [fr]. Boukary Konaté, mpandray anjara iray nahazo fanohanana avy amin'ny Rising Voices 2011, amin'izao fotoana izao dia miampita ny Reniranon'i Niger anatinà lakana Maliana nentin-drazana, mifindrafindra vohitra iray hafa isanandro mba hampianatra ireo ankizy sy ireo mponina ny fomba fampiasa ny Aterineto.