GlobalVoices anaty

Ségou Villages Connection

Tahiry Lohahevitra manokana · 5 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Ségou Villages Connection

30/04/2012

Vohitr'i Ségou: Isan'ireo Mpifaninana Amin'ny Dingana Famaranana Amin'ny BOB I Boukary Konaté

Rising Voices

Misy galona hafa indray ny satrok'ilay mpikambana ao amin'ny tetikasan'ny Rising Voices sady mpandika tenin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay Boukary Konaté amin'ity taona ity. Tafiditra ao anaty lisitr'ireo hiatrika famanranana amin'ny Bilaogy Tsara indrindra (BOB) i Boukary, hetsika isan-taona karakarain'ny Vondrona Media Deutsche Welle hanomezana maripankasitrahana ho an'ireo bilaogy sy ireo mpitoraka bilaogy.

27/01/2012

Vohitr'i Ségou: Fitsidihana Amin'ny Lakana Ny Reniranon'i Niger Ho Fampahafantarana Ny Aterineto

Rising Voices

Mandray lalana mahaliana ny tetikasa Ségou Villages Connection any Mali, iarahana aminà tetikasan'ny UNESCO ho fitandroana ny lova [fr]. Boukary Konaté, mpandray anjara iray nahazo fanohanana avy amin'ny Rising Voices 2011, amin'izao fotoana izao dia miampita ny Reniranon'i Niger anatinà lakana Maliana nentin-drazana, mifindrafindra vohitra iray hafa isanandro mba hampianatra ireo ankizy sy ireo mponina ny fomba fampiasa ny Aterineto.

31/10/2011

Ségou Villages: Ny Fahendren'ireo Ohabolana Bambara

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Ny ohabolana dia andian-teny fohy avy amin'ny fahendrena eo amin'ny fiarahamonina. Any Mali, maro amin'ireny fomba fiteny ireny no hita amin'ny teny Bambara, izay teny mbe mapahazo indrindra ao amin'ny firenena, indrindra fa any amin'ny faritr'i Ségou. Eto no idiran'ny tetikasan'ny Rising Voices , Ségou Villages Connection mampianatra ny mponina ambanivohitra mba hampiasa ny aterineto hizaran'izy ireo ny tantarany. Na izany aza, hita ihany koa ireny ohabolana ireny any anaty resadresaka amin'ny bilaogy samihafa sy ny twitter any.

05/09/2011

Bilaogera Asongadina: Oumar Dembélé

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Fihaonana tamin'i Oumar Dembélé, mpampianatra iray amin'ny fanabeazana fototra ao Cinzana-Gare, tanàna iray amin'ny Faritr'i Ségou.Oumar koa dia mpikambana amin'ny tetikasa Ségou Villages Connection Fifandraisan'ny Tananan'i Ségou, tohanan'ny Rising Voices. Amin'ity tafatafa ity, Oumar dia mizara ny mahakasika ny teknolojia ao Ségou, ny filàna hanatsara ny zava-misy, ary ny hetaheta lehibe ho amin'ny ho avy.

04/09/2011

Vohitra any Ségou: Mivavaka Hiavian'ny Orana

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Nandritra ny volana Aogositra dia nisedra tsy fahampianà rotsak'orana ireo vohitr'i Ségou, faritra iray ao Mali. Nisy fiantraikany ratsy teo amin'ny asan-dry zareo eny an-tsaha izany, nanozongozona ny taom-pambolena iray manontolo. Ny hany sisa natao dia ny nivavaka. Farany, rehefa ela niandrasana dia tonga ny orana, nahafahan'ireo mponina mba nankalàza ny fifarànan'ny Ramadany tao anatin'ny saina tony. Ny mpandray anjara amin'ny tetikasa Ségou Villages Connection dia manoratra mikasika io vanim-potoana sarotra io.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny