Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Marsa, 2014

Lasa Aloha Loatra i Mama Rosia

Andramo ny maka sary ao an-tsaina ireo miaramila Okrainiana nalefa ao Crimée nefa tsy manana fitaovam-piadiana, toerana izay misy milisy manakan-dàlana sy manakenda ny seranampiaramanidina amin'ny fametrahana toerana fanaraha-maso.