Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Marsa, 2013

Ilay Tsara Tarehy sy ilay Biby Tsy Voafehy? Naharomotra Ny Nasionalista Rosiana Ilay Oliravina “Foko Hafa” Nandresy

Tahaka ny tsy niomana mialoha handresy tamin'ny fifaninanana Oliravina Rosia ilay 18  taona Elmira Abdrazakova tamin'ny Asabotsy 2 marsa 2013 farany teo. Raha izany  manko dia efa tsy nataony hitam-bahoaka mialoha ny mombamomba azy tao amin'ny tambajotra Rosiana VKontakte. Amin'izao fotoana lasa nanaisotra manontolo ny mombamomba azy izy. Nihalehibe tao...

Fomba Fampiasa Twitter Mety Hanapaka Tarangana Ny Fampielezankevitra Politikanao Ao Rosia

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nahiliky [ru] ny mpitsara iray tao Krasnodar tsy hifaninana ho mpanolotsain'ny tanàna ny mpanao politika iray, taorian'ny nanamarinana fa nandika ny lalàna napetrak'ireo tambajotra sosialy telo malaza ety anaty aterineto ny antontan-kevitra nampiasainy hampielezana hevitra : Twitter, Facebook, sy Vkontakte. Inona marina no tena helok'ilay rangahy ity? Nandefa doka miloko mainty sy fotsy izay nahitàna ny fangon'ireo tranonkala telo ireo tao anatin'ny fampielezankeviny