Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Novambra, 2012

Mikomy Ireo Gadra Rosiana, Manofahofa Faneva Hoe “Ampio Izahay Azafady,”

  29 Novambra 2012

Nandritra ny herinandro tao amin'ny fonjan'i Kopeysk, eo ivelan'ny tanànan'i Chelyabinsk, gadra eo amin'ny 250 eo no nanomboka nanao fihetsiketsehana teny an-tampon'ny tranobe, nilanja sora-baventy [ru] miangavy hoe “ampio izahay azafady” ary nitaraina momba ny fampijaliana sy ny fanendahana atao azy ireo. Penal Colony 6 (fonjan'ny tanora) (fantatra tsotra amin'ny hoe “shestyorka”) no...

Fahadisoam-Pamakiana Ny Magnitsky & Kongresy Amerikana Avy Any Rosia

  21 Novambra 2012

Dibo-kafaliana ireo bilaogera mpanohitra Rosiana tamin'ny Asabotsy, taorian'ny fandanian'ny Antenimieram-pirenena Amerikana ilay lalàna antsoina hoe “Lalàna Magnitsky” nahazo fanohanana avy amin'ny Antenimiera roa tonta tamin'ny 16 Novembra 2012. Manilika ny Fanitsian-dalàna Jackson-Vanik ihany koa ny ampahany amin'ny lalàna, ary mandrara tsy hahazo hiditra amin'ny faritr'i Etazonia ireo manampahefana ao amin'ny governemanta...

Noesorin'i Putin Ny Minisitry Ny Fiarovana Mba Hisondrotan'ny Mpandova azy?

  20 Novambra 2012

Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, vonona hifidy indray an'i Barack Obama ho filoham-pirenena ny Amerikana,  nanapaka ny finamanany efa ela tamin'i Anatoly Serdyukov i Vladimir Putin, minisitry ny Fiarovana tao Rosia nanomboka tamin'ny taona 2007 i Anatoly Serdyukov. Sergei Shoigu, Governoran'i Moskoa sy lehiben'ny Minisitera Misahana ny Toe-draharaha Maika (MChS) no notendrena hisolo...

Ny Fikorontanan'ny Nasionalisma Rosiana

  17 Novambra 2012

Tamin'ity taona ity, nanandratra avo ny anarany ny Andron'ny Firaisankina, saingy tamin'ny fomba tsy nampoizina. Tao anatin'ny tanàna 46 manerana an'i Rosia [ru], isany i Mosko, olona teo amin'ny 3 alina teo no nandray anjara tamin'ireo famoriam-bahoaka nataon'ny farany havanana. Na dia ampahany faran'izay kely dia kely amin'ny totalin'isan'ny mponina aza izany, ny Andron'ny Firaisankina nataon'ny vondron'ny farany havanana dia nahasintona mpanohana maro nanerana an'i Rosia

Ny Fientanentanana Faran'ny LiveJournal, Miaraka Amin'ny Famelàn'ny Hery Manokana Rosiana

  14 Novambra 2012

Noforonin’olona tsy nitonona anarana ny bilaogy LiveJournal hardingush [ru] tamin’ny 15 Septambra 2012. Mbola tsy nisy roa volana akory izay, ilay bilaogy, mitondra ny lohateny hoe Spetsnaz Ingushetii (Ny tafika manokana Ingush), dia laharana faha-425th[ru] ao amin’ny fandaharana ankapoben’ny mpampiasa LJ. Nametraka tsikera mihoatry ny 4,000 tanatin’ireo lahatsoratra samihafa ao anatiny ireo mpampiasa aterineto. Ny efatra tamin’ireo lahatsoratra ireo dia tafiditra tao amin’ny lisitr’ireo 25 voalohany [ru] amin’ny mpitoraka bilaogy Kaokaziana tavaratra tamin’ny volana Oktobra. Fa iza marina moa no ao ambadik'io bilaogy io?

Ny Hevitry Ny Rosiana Manoloana Ny Fahalanian'i Obama Ho Filoham-pirenena Indray

  13 Novambra 2012

Nifarana ihany ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana, hiatrika fe-potoam-piasana faharoa amin'ny maha-filohan'i Etazonia azy i Barack Obama. Hatramin'ny fampielezan-keviny voalohany tamin'ny taona 2008, ilay profesora demokraty ao Stanford no mpanolotsaina voalohany an'i Obama mikasika ny politika Amerikana-Rosiana izay lasa ambasadaoro Amerikana any Rosia tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Niara-nametraka ny fifandraisana indray amin'ny Federasiona...

Rosia: Manao Faminaniana Momba ny Vaomieram-Pandrindrana Ny Fifidianana

  12 Novambra 2012

Araka ny efa fantatr'ireo mpamaky ny RuNet Echo, tamin'ny [volana lasa teo] no nifidianana ny Vaomiera Mpandrindra, ary efa tafavory tamin'ny alalan'ny pejy Facebook ireo mpikambana ary niampy fihaonana mivantana izany. Herinandro maromaro talohan'ny fifidianana, nanolotra faminavinàna [fr] nifototra tamin'ny fampilaharan'ilay bilaogera Yandex bilaogera mpanoratra ny Global Voices. Taorian'ny nampahafantaranay izany tombana...