Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Jolay, 2012

Rosia, Belarosia: Medvedev sy ny “Toerana Fanaovana “Cirque” Belarosiana”

Nandritra ny fitsidihan'ny Praiminitra Dmitry Medvedev tany Minsk tamin'ny Zoma 18 Jolay, nandefa tweet tamin'ny sary Instagram nahitana ity teny ity izy: “Tao amin'ny araben'i Minsk.” Ny olana tamin'ny sary dia ny fanoritsoritana ny  Toerana fanaovana cirque an'ny fanjakana Belarosiana, izay niteraka fanehoan-kevitra mikasika ny fihaonanan'i Medvedev tamin'ny filoha Belarosiana Aleksandr Lukashenko sy...

Rosia: Maneho Hevitra Momba Ny Tondradrano Nandrava An'i Krymsk Anaty Aterineto Sy Mivantana Ireo Mpampiasa Aterineto

Tamin'ny 6-7 Jolay, maherin'ny 170 ireo olona namoy ny ainy tamin'ny tondradrano nandrava tany atsimon'i Rosia. Niady hevitra ireo mpitoraka blaogy momba ny mety nahatonga izany loza izany tany amin'ny Krymsk - faritra voa mafy; maro ireo efa any amin'ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo na mpanao gazety, ary maro amin'ireo adihevitra amin'ny aterineto koa no mifototra amin'ny ezaka fanavotana.