Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Jona, 2012

Rosia: Tetikasanà Crowdsourcing Hikarohana Ireo Ankizy Tsy Hita

Niforona ny ekipa mpikaroka sy mpamonjy aina Liza Alert taorian'ny nanjavonan'i Liza Fomkina tany amin'ny vohitr'iOrekhovo-Zuevo (manodidina ny 50 miles atsinanan'i Môskoa). Ho setrin'ny hetsika nahitana lesoky avy amin'ny governemanta, nanapa-kevitra ny hiombona ireo mpirotsaka an-tsitra-po mba hahazoana toky fa tsy hisy zavatra tahaka izany intsony hitranga.