Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Mey, 2012

Rosia : Miverina Ao Anatin'ny Fiadiana Izay Ho Tompon-daka Eran-tany Amin'ny” Hockey” Taona 2012 ireo Kintan'ny NHL

Tsy resy mihitsy tao anatin'ny ny lalao im-pito natrehiny , ary nirehareha tamin'ny fisian'ny All-Star tao aminy, Ny ekipa nasionalin' i Rosia dia niatrika an'i Norvezy amin'ny lalao ampahefa-dalana amin'ilay fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin'ny Hockey 2012. Bilaogera maro no nirehareha noho ny fiverenan'i Alexander Ovechkin sy Alexander Semin, niaraka tamin'ny fahatsiarovana ny lasa ratsin'ny Rosia teo amin'nyfifaninanana iraisam-pirenena .

Rosia: Vohikala Mampiseho Ny Karaman'ny Mpiasam-Panjakana

Najoro ny tetikasa “Tombontsoam-bahoaka” [ru] mba hahitan'izay liana hahafantatra ny mombamomba ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny lefitry ny manampahefana ambony. Narafitra tamin'ny alalan'ny nangonin'ny olona ary navoaka araka izay mifanaraka amin'ny lalàna Rosiana ny fampahafantarana. Ankoatra ny fampahalalana ankapobeny momba ny fidiram-bola, misy antontan'isa hafa mahaliana ihany koa hita ao,...

Rosia: Ustream.tv Voatafika Noho Ilay Bilaogera Rosiana

Ny marainan'ny 9 Mey 2012, nisy olo-tsy fantatra nanafika tamin'ny alalan'ny DDoS (Distributed Denial of Service) ny vohikala mpikarakara mivantana Ustream.tv. Araka ny nolazain'i Victoria Levy avy ao amin'ny Ustream.tv, avy amin'ny IPs an'arivony, miorina any Rosia, Kazakhstan ary Iran ny fanafihana. Nitodika tany amin'ny mpisera iray manokana [ny fanafihana] izay tsy iza fa i, reggamortis1 [ru], ilay nampita ny fivorian'ny mpanohitra sy ny hetsi-panoherana ao Moskoa.