Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Jona, 2011

Ukraine: Fahatsiarovana sy sarin'i Chernobyl tamin'ny volana Aogositra 1986

Nigadona tany amin'ny Orinasa Famokarana Angovo nokleary any Chernobyl ny mpampiasa LJ av-strannik , i Aleksandr Strannik , monina any Mosko, tamin'ny tapaky ny volana Aogositra 1986, efa-bolana teo ho eo taorian'ny fipoahan'ny fitaovana fampandehanana #4 ny 26 Aprily, hanatrika ny ezaka fanadiovana amin'ny maha injeniora amin'ny fitsofana azy. Dimy amby roapolo taona taty aoriana, mizara ireo fahatsiarovany sy ny sary tamin'izany fotoana izany izy

Rosia: Mampiseho ny ratra lalina navelan'ny adin'i Tsetsenia ny namonoana an'i Yuri Budanov

Namerina indray ny fifampihenjanana ara-poko na an-tserasera na ivelan'ny serasera ny namonoan'ny sasany an'i Yuri Budanov kolonely taloha tamin'ny tafika Rosiana izay noampangaina ho namona vehivavy Tsetsenina 18 taona nandritra ny Ady Tsetsenina Faharoa tamin'ny 10 jona 2011, ary nanamafy ny fahadisoam-panantenana satria mbola manjaka ny tsy fanarahan-dalàna ao amin'ny firenena