Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Avrily, 2011

Rosia: Saripikan'i Moskoa, nanodidina ny taona 1931

Mpisera LJ nikolas11 no mizara [ru] sary vitsy mpanana ahitana an'i Moskoa nanodidina ny taona 1931 nopihan'i Branson DeCou, Mpivezivezin'ny taonjato XX sy mpaka sary. Sary nolokoina tanana mamelatra ny renivohitra Rosiana roa taona taorian'ny “Fiolahana Lehibe” ary nialoha ny nandravan'ny Bolshevika ny fiangonana maro tao Moskoa.

Belarosia:Ny Ambadiky ny Baomba sy ny Fipoahana

Tsy mbola levona akory ny setroka naterak'ilay fipoahana tao amin'ny Metro ao Minsk tamin'ny Alatsinainy, ny fanontaniana roa manao hoe : "Inona no tokony hatao? - Iza no tompon'andraikitra?" no apetraky ny tontolon'ny fitorahana bilaogy Belarosiana. Firehan-kevitra roa lehibe no mibahana, fiampangana na ny Filoha President Lukashenko na ny mpanohitra ara-politika, na eo aza ny fihetseham-po lalina mankany amin'ireo niharan-doza toa mampiray ny vahoaka ao Minsk.

Belarosia: Fihetseham-po taorian'ny fipoahana tao anaty metro

Nahafaty olona 12 hatramin'izao ny baomba nipoaka tao anatin'ny fiantsonana ktyabrskaya, métro any Minsk ny 11 aprily 2011 teo, ary an-jatony ireo naratra. Vetivety kely taorian'ny loza niseho, nandray ny fampaherezana nalefa tamin'ny tweet ireo fianakaviana sy naman'ireo niharam-boina tamin'ny alalan'ny tenifototra #minsk sy #minskblast (fipoahan'ny minsk). Nitanisa vavolombelona maromaro tao an-toerana...