Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Janoary, 2011

Rosia: Jery todika ny aterineto 2010

Nanasongadina fironana manan-danja maro ny aterineto Rosiana ny taona 2010. Nitombo haingana niaraka tamin'ny olona nahazo vaovao malaky amin'ny aterineto sy tena mavitrika amin'ny fampiasana tambanjotra sosialy ny mpanaraka amin'ny aterineto. Amin'ny lafiny maro, dia nitondra fankatoavana ny tanjaky ny aterineto teo amin'ny fiarahamonina Rosiana ny taona 2010.

Rosia: Tetikasa Ushahidi mitatitra ny olan'ny Ririnina Rosiana

“Sarintanim-panampiana ho an'ny Ririnina Rosiana” (Holoda.info), tetikasa iray vaovao ho fitrandraham-baovao avy eny ifotony, no natomboka napetraka tao Rosia mba hitaterana ny olan'ny vahoaka tratry ny hatsiaka mamirifitry. Ny masoivohom-baovao  RIA Novosti mitatitra [RUS] fa ny tanjon'ny vohikala dia ny hitondra fanentanana mikasika ireo olona miaritra ny tsy fisian'ny fitaovana...