Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Aogositra, 2010

Rosia: Ireo tra-boina noho ny doro ala malahelo niady ho an'ny tranony

  30 Aogositra 2010

Ao anatin'ny fandaharam-potoan'ny fantson'ireo haino aman-jery matanjaka ny tohin'ny afobe vao haingana teo tany Rosia. Tatitra mikasika sy resadresaka mivantana miaraka amin'ireo tra-boina, mpilatsaka an-tsitrapo, mpiasa ho amin'ny fanampiana amin'ny maha-olombelona ary ireo mpiasan'ny governemanta no tena endrika tsara mandrakotra ireo fivoarana: natsangana ny trano vaovao ho an'ireo tra-boina, takalo...

Rosia: Fanohanana ireo niharam-boina tamin'ny lelafo amin'ny alalan'ny famatsiam-baovao amin'ny aterineto

  27 Aogositra 2010

Mbola niparitaka hatrany ny afo tao Rosia nanomboka tamin'ny herinandro lasa teo, izay nampikorontana ny mponina an'arivony. Nisy vohikala vaovao iray niforona ary mampiasa ny fitaovana Ushahidi, Russian-fires.Ru, izy io dia tsy mamoaka an-tsary ny toerana nitrangan'ilay lelafo fa mampifandray ireo mponina mila fanampiana sy ireo manam-paniriana ny hanampy azy ireo.

Rosia: Tanàna sy vohitra maro may

  05 Aogositra 2010

Doro ala sy afo be mivaivay no mandripaka manivatsiva an'i Rosia afovoany ; olona an'arivony no alàna amin'ireo faritra voakasika, ary ny mampalahelo dia, misy tatitra mikasika ireo fahafatesan'olona ( miisa 28 farafahakeliny , hatramin'ny androany ). Tamina tranga maro dia tsizarizary ny fandraisana an-tànana ny ezaka famonoana afo, ka nisafidy ny hihetsika amin'ny herin'ny tenany ireo mponina eo an-toerana sy hiaro ireo tanàna sy vohitra manodidina miaraka amin'izay fitaovana mety hananany eo am-pelatanany.