Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Mey, 2010

Rosia: Sarin'ny tondra-drano tany Môskoa

Alexey Yushenkov dia manapariaka andian-tsary nalainy nandritra ny tondra-drano izay nitranga tany amin'ireo lalambe izay isan'ny ivon-tananan'i Môskoa. Mizàra sary sahala saingy tamin'ny taona 2006 koa izy. Misy sary hafa mitatitra izany tondra-drano izany azo jerena ato sy ato.

Rosìa: Sary tany amin'ny “Zombie Mob”

Rà sandoka raofina aman-taonina,  ratra maro tsy ampoizina sy maty-mitsangana miriaria  ary biby mampivarahotsana samihafa no indray nameno ny araben'i Moskòa. Sary nalaina nandritra ny hetsika “Zombie Mob” [fifamotoan'ireo miakanjo sy maka-tahaka ireo mpilalao sarimihetsika mampatahotra] dia azo jerena ato, sy ato ary ato.