Tantara tamin'ny Akon'ny RuNet tamin'ny Febroary, 2010

Rosia: Tetikady miaramila vaovao sy ny fiarovam-baovao

  24 Febroary 2010

Namoaka ny tetikady (doctrine) miaramila vaovao[RUS] (hitanao ato ny dika amin'ny teny anglisy) hampiharina mandritra ny folo taona indray i Rosia tamin'ity volana febroary ity. Na dia tsy misy filazana mivantana ny resaka fiarovana an-tserasera na resaka aterineto mivantana aza io dosie io, dia miresaka momba ny endrika fifampitam-baovao ao anaty...

Rosia: Ny atao amin'ny boky antitra

  18 Febroary 2010

Manary ny boky noho ny fahanterany sy tsy fisian'ny mpamaky azy intsony ny trano famakiam-boky maro, hoy ny mpanao tsikera literera Alexander Zhitinski [RUS]. Ny an'ny trano famakiam-boky iray any Saint-Petersburg aza dia ny boky rehetra nivoaka talohan'ny taona 1999 no nariany. Niteraka adihevitra an-tserasera [RUS] moa izao tsy fanajana...

Rosia: mamantatra ny toerana misy ny bus eo noho eo

  16 Febroary 2010

Ny fitantanana ny tanànan'i Ryazan [ENG] any Rosia Afovoany no voalohany any amin'ity firenena ity nametraka sarintanin'ny fivezivezen'ny fiara fitaterana [RUS] hoy ny tatitry ny gov-gov.ru. Azo arahina amin'ny alalan'ny aterineto eo noho eo manko ny fiara fitaterana noho ny fisian'ny fitaovana GPS any anatin'izy ireny tsirairay avy. Alexey Sidorenko