Tantara mikasika ny Lalao Olaimpika

Shina: Niala i Liu Xiang ary Malahelo Izahay

  31 Oktobra 2018

Nanohina an'i Shina ny Alatsinainy teo ny fahenoana fa naratra ny tongotr'i Liu Xiang ary tsy afaka ny hifaninana mandritra ny fotoana voafetra izy. Naverin'i He Caitou navoaka tao amin'ny Baidu ilay resaka ny fanehoankevitra iray nivoaka iray volana lasa izay, nilazan'ny olona iray fa nanofy ny zava-nitranga ny tenany.

Makaô: Ireo Fihobiana Masiatsiaka Mandritra Ny Matson'ny Fanilo Olaimpika

  20 Febroary 2018

Tsy toy ny tany amin'ireo firenena hafa nolalovany, tsiky fotsiny no azon'ny Fanilo Olaimpika androany tao Makaô, ny dingany farany mialoha an'i Shina Tanibe. Efa nahavita nitondra ny Fanilo manerana ny tanàna tsy nisy mpanakantsakana ireo mpihazakazaka. Mifanohitra amin'izay kosa, tamin'ny alalan'ny fanofahofana ireo saina dia tena notehafan'ireo mpijery ilay izy, mpitazana izay zara raha nahafehy ny fientenentanan-dry zareo arakaraky ny nitetezan'ilay fanilo an'ity zanatany Portiogey teo aloha ity, naverina ho ambany fifehezan'ny Shnoa tamin'ny taona 1999

Shina: Ao Beijing Ireo Pandas Olaimpika

  27 Oktobra 2017

Toa miasa ao amin'ny Valan-javaboary Wolong ao Wenchuan, Sichuan, izay ivon-toeran'ny horohorontany tamin'ny volana lasa teo ilay bilaogera EastIsRed66 ao amin'ny sehatra famahanana bilaogy Sina.com ..........

Shina: Lalaon-Tabataba

  19 Aogositra 2017

Mpanesoeso hatrany kanefa tsy mpankahala velively, namoaka azy ity androany (ary io ihany) ilay bilaogera mpanao hatsikana Wang Xiaofeng tamin'ny lohateny hoe 'lalaon-tabataba ', kilalaon-teny Shinoa iray manoloana ny Lalao Olaimpika