The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Olympics Sokajy ny ara-dresaka manokana

RSS ho an ny Olympics

Olympics

Itony soratra itony dia avy aho amin'ny Olympika 2008 Beijing Sina, no jeren'i John Kennedy sy sponsoren'i Reuters


2008-08-12

Iran

Kamangir no mitatitra fa nalahelo (tezitra) tamin'ny ekipan'i Iran ny Mpitarika Vavaka isan-Joma tao amin'ny tanànan'ny mpivavaka ao Mashhad, dia ny Ayatollah Seyed Ahmad Alam Alhoda, satria vehivavy no nitarika azy ireo tamin'ny lanonam-panokafana ny lalao olaimpika.

2008-08-09

Shina: Mpihetsiketsika vahiny ampian'ny fitaovana 2.0Video post

Nisyfihetsiketsehana ho fanafahana an'i Tibet indray nitranga androany Sabotsy tany Beijing, ary hatreny amin'ny kianja malalaky ny Tiananmen mihitsy izany. Nanatrika izany ilay mpamahambolongan-dahatsary avy amin'ny Qik.com noneck ary azonao jerena izany..

2008-08-07

China ,
Taiwan (ROC)

Michael Turton avy ao amin'ny The View from Taiwan (fijery avy aty Taiwan) no namosabosakevitra tanaty adihevitra miresaka momba an'i Taiwan mandritra ny lalao olaimpika any Beijing. Navoitran'ny mpamaham-bolongana ary fa raha efa lefy ny  adihevitra momba ny anarana ho entina, ny asafidianana amin'izao fotoana izao dia eo amin'ny hoe Shinoa Taipei sa Shina Taipei.

China ,
Hong Kong (China)

Maro ny vohikala, tahaka ny Radio free Asia (radio afaho i Azia), no lasa azo tsidihina mandritra ity lalao olaimpika ity, na izany aza hoy i Liu Xiaoyuan dia mbola maro ny bolongana voasakana tsy ho azo tsidihina hatrany. Nofantenana hovahana fatotra noho ny fanerena politika ireo vohikala azo tsidihina fa ny tena mitoetra dia ny fanakanana ihany. Mbola mikatona manko hatramin'izao ny fampahalalam-baovaon'olom-pirenena tahaka ny inmediahk.net any Hong Kong.

2008-08-05

Shina: Goavana noho ny Mandaben'i Shina

“HItako voalohany raha nianika ny Manda lehibe aho,” Hoy ilay mpampiasa Flickr Moonage Daydreamer, “Ny teny fanevan'ny lalao olaimpika tontosaina any Beijing 2008…hitanao na aiza na aiza alehanao: peta-drindrindra sy peta-piara (autocollant) na fiara madinika na fiara fitaterana, eny fa na dia eny amin'ny Mandaben'i Shina aza.” Misimisy sary hafa koa ...

2008-08-02

Madagascar

Misy fisavoritahana ihany ny fahalalana ny isan'ny delegasiona malagasy mandritra ny lalao olaimpika 2008. Mbola tsy nivoaka moa ny filazana ofisialy raha tsy vao andro vitsy foana zay ka nahenoanay fa 7 ny isan'ny atileta handray anjara (fr) fa tsy 4 araka ny voalaza tamin'ny voalohan'ny volana (en). Ankoatra izay, mbola tsy fantatra hatramin'izao ny isan'ny delegasiona  tsy atileta saingy hanatrika ny lalao any Beinjing avokoa ireo nahazo medaily volamena 107 nandritra ny lalaon'ny nosin'ny ranomasimbe indiana farany teo amin'ny maha-nasain'ny filoha azy ireo (fr).

 

China

Life 2.0 mamaham-bolongana Isaac Mao no nanangona ny lisitry [zh] ny vohikala vaovao tsy nosakanana hatramin'ny herinandro teo hanarahana ny lalao olaimpika andro mafana 2008. Maro moa no wmanontany tena hoe mandra-pahoviana izy ireo no tsy hosakanana; Mao kosa nanoratra hoe: ‘faingàna ary misoratana anarana amin'ireny ô!'

2008-08-01

China

Tamin'ny alalan'ny PandaPassportn'i Rick Martin tao amin'ny Facebook milaza Tambajotra Viritoaly: “Ho an'ny rehetra any Shina, ity no  fanararaotra hijerenao izay tianao hojerena (ialana amin'ny sivana manjaka any).  Mametraka rindrambaiko (riindrankajy) vetivety monja dia vonona ny rehetra…andramo dia ho hitanao.

China ,
Lithuania

Lituanica no nitondra vaovao milaza fa nanapa-kevitra ny tsy hanatrika ny lalao olaimpika hotontosaina any Beinjing ny filoha Litoaniana Valdas Adamkus.

2008-07-29

China

Lafo dia lafo ny sarantserasera aterineto  ao amin'ny tanàna olaimpika ao Beijing, hoy ny mpanoratra iray ao amin'ny Andrew Lih's AndrewLih.com: “Tsy mampino fa tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'ny Mandaben'i Shina aho, fa mandifotr'olona ihany koa (manempotra) ny saram-pampiasana azy!”