· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Lalao Olaimpika tamin'ny Jolay, 2008

Shina: Ento miaraka aminao ny router wifi-nao

  29 Jolay 2008

Lafo dia lafo ny sarantserasera aterineto  ao amin'ny tanàna olaimpika ao Beijing, hoy ny mpanoratra iray ao amin'ny Andrew Lih's AndrewLih.com: “Tsy mampino fa tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'ny Mandaben'i Shina aho, fa mandifotr'olona ihany koa (manempotra) ny saram-pampiasana azy!”

Kazakhstana: Jery bolongana miresaka olaimpika

  21 Jolay 2008

Miresadresaka ny mety ho vitan'ny mpilalaon'ny fireneny amin'ny lalao fanao anatin'ny andro mafana ny mpamaham-bolongana Kazakhstani amin'izao ankatoky ny lalao hotanterahina any Beinjing izao (araho ary ny tohiny) .

Shina: Zon'ny mpamorona mandritra ny lalao Olaimpika

  18 Jolay 2008

Toy ny rano atapoka sosoa indroa misesy ny filazalazana entina iarovana ny zon'ny mpamorona, tsy misy mpamaham-bolongana mahazo mametraka sary na mandefa lahatsary mikasika ny lalao olaimpika amin'ny bolongany. Ankoatra izany, maro ihany koa ny fepetra noraisina hiarovana ny mpanohana ny lalao Olaimpika, hosakanana mandritra ny fanatontosana ny lalao olaimpika...

Shina: Dokambarotra Olaimpika

  17 Jolay 2008

Adrienne Wong avy ao amin'ny Shanghaiist no nanamarika fa ny doka fanoheran'ny Amnesty International ny lalao Olaimpika  any Shina sy ny dokambarotry Adidas mandritra ny Lalao Olaimpika dia nolokoiin'ny orinasa iray ihany izay tsy iza fa ny (TBWA).

Shina : Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana

  06 Jolay 2008

Mety iharan'ny fandraràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsary [Vlogging] manodidina ny lalao Ôlaimpika (araky ny fiheveran-dry zareo), ary manantena ry zareo fa tsy hahakasika ny tolotry fringsters izany izay vao nametraka tolotra vaovao Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana hoan'ireo rehetra izay mitatitra ara-blaogin-dahatsary ny lalao Ôlaimpika.

Beijing : Fepetra vaovao hiadiana amin'ny fandotoana ny tontolo iainana

  05 Jolay 2008

Araka ny nolazain'i Danwei dia namoaka lalanan'ny fifamoivoizana vaovao ny ao Beijing izay ampiharina mandritra ny lalao Olympika. Ankoatra ny fepetra hafa, dia ny fiara mitondra laharana miafara amin'ny isa tsy an-kasa ihany no afaka miriaria manomboka ny faha-20 Jolay hatramin'ny faha-20 Septambra 2008. Araka ny vinavinan'ireo tompon'andraikitra moa dia...