The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Olympics Tahiry Lohahevitra manokana

RSS ho an i Olympics

Olympics

Itony soratra itony dia avy amin'ny lalao Olympika 2008 Beijing Sina, nojeren'i John Kennedy sy nosponsorizen'i Reuters


2008-09-09

Jamaica ,
Trinidad & Tobago

“Volam-pihobiana ity olana Septambra ity ho an'i Tirinite sy Tobagô ary Jamaika noho ny figadonan'ireo Atileta nandray anjara tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing farany teo tany an-toerana”: Caribbean Beat Blog te-hanomboka ny fety izany!

2008-08-26

China

Nampiasa orana vitan'olombelona ny governemanta ao Beijing tamin'ny lalao olympika mba hahatsara ny andro tamin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny lalao. Tokony nilaza mialoha tamin'ny mponina ny governemanta, hoy i Lui Li rehetra nanana hevitra hanova ny toetr'andro tahaka izany.

2008-08-19

Lebanon

Na dia kely aza ny fandraisana anjaran'ireo Libaney amin'ny lalao Olympika any Beijing, dia tsara marihina fa in-dray mandeha ihany no tsy nanana solo-tena tamin'ny lalao Olympika i Libanona hatramin'ny 1948. Ny fandraisan'anjaran'i Libanona amin'ity lalao ity no resahin'i Ajnabiya ao amin'ny lahatsorany farany.

Gender ,
Fivavahana

Nizara sarin'ireo mpanao fanatanjahan-tena tamin'ny lalao Olympika izay manao Hijab ny blaogy anglisy Hijab Style. Hita ao amin'ny sary i Ruqaya al Ghasara avy ao Bahrain sy Waseelah Fadhl Saad avy ao Yemen.

Kazakhstana : ny lalao Olympika tamin'ny blaogy

 Nangingina ny resaka politika teo anivon'ireo mpitoraka blaogy avy any Kazakhstana noho ny lalao Olympika. Mahasorena an'i Alim Atenbek ny fanamiana nanaovan'ny ekipa avy ao Kazakhstana [ru]: Officials always want to make a buck on everything, and the Olympiad is not an exclusion. The government allocated 68 milion tenge for 226 kits ...

2008-08-18

Slovakia

Araka ny kajikajy nataon'i Margarete, avy ao amin'ny The foreigner's guide to living in Slovakia dia fahafolo i Slovakia amin'ny isan'ny medaly isan'olona tamin'ny lalao Olympika, raha i Slovenia no voalohany.

2008-08-13

Estonia ,
Russia

Osteuropablog no miresaka (GER) ny fitovitoviana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena samy kely sady malemy na io Zeôrizia na i Estonia, ary dia mieritreritra sahay izy amin'izay hitranga mandritra ny lalao olaimpika fanao amin'ny ririnina hotanterahina any Sochi tanàna iray any Rosia, manakaiky an'i Zeôrizia isian'nyady amin'izao fotoana amin'ny 2014.

2008-08-12

China

Nadikan'ny China Digital Times ho amin'ny teny angilisy ny resadresaka nifanaovany tamin'i Chen Qigang, mpandrindra ankapobeny ny hira nandritra ny fotoam-panokafana ny lalao olaimpika, ary nanambaran'ity farany fa feon'ankizy hafa efa noraisimpeo mialoha ny feo henon'ny rehetra nandritra io lanonampanokafana io.[avy amin'ny mpandika teny: tsikaritro iny ka! nisy manko fotoana bitika dia bitika hitako tsy nifanandrify tsara feo sy ny sary, ankoatra ny tsy fiezahan'ilay zaza hihira mafy nefa mafy anie izany feo izany e!]