· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Fitantanana-aterineto tamin'ny Desambra, 2012

Pakistana: Nakatona ny Twitter

GV Mpisolovava  16 Desambra 2012

Nakatona ny Twitter tao Pakistana indray alahady. Nilaza ny manampahefana ambony misahana ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena fa nakatona izany satria mandà hanaisotra ireo sioka sokajiana ho manaraby ny Islamo ny Twitter. Nampiroborobo fifaninanana tamin'ny Facebook ireo sioka mba handefa ny sarin'ilay Mpaminany Islamo Muhammad, hoy i Mohammad Yaseen, filohan'ny Fitantanana ny Fifandraisan-davitra...

Inona No Nitranga Nandritra Ny WCIT-12: Resadresaka Niarahana Tamin'i Beatriz Busaniche

GV Mpisolovava  15 Desambra 2012

Vao avy nifarana tao Dubai, ao Emirà Arabo Mitambatra ny Kaonferansa Momba Ny Fifandraisan-davitra Iraisam-pirenena (WCIT), fivoriana notohanan'ny Firenena Mikambana. Taorian'ny fifampiraharahana henjana nandritra ny roa herinandro, tsy nisy nipika ny ankamaroan'ny resaka tamin'izany, tsy nahita marimaritra iraisana ireo solontena tamin'ny volavolam-pifanarahana UIT (Firaisambe Iraisampirenena misahana ny Fifandraisan-davitra) , izay tohanan'i Rosia sy Shina, ka hanome...

Andron'ny Zon'olombelona: Miaro Ny Fahalalam-pitenenana, Amin'ny Aterineto Sy Ivelan'ny Aterineto

GV Mpisolovava  15 Desambra 2012

Mankalaza ny Ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona (UDHR), izay nankatoavina tamin'ny 10 Desambra 1948 ny Andron'ny Zon'Olombelona [Human Rights Day]. Nanatontosa horonantsary momba ny zon'ny olona rehetra mba “hahatonga ny feon'izy ireo ho heno eny amin'ny fiainam-bahoaka sy ho tafiditra amin'ny fanapaha-kevitra ara-politika “ ny firenena Mikambana tamin'ity taona ity,” lohahevitra mifandraika...

Miantso Fanairana Ny WCIT: Fotoana Hamelarana Ny Adihevitra Momba Ny Fitantanana Ny Aterineto

GV Mpisolovava  08 Desambra 2012

Nivory tany Dubai ireo mpitondra manerana izao tontolo izao tamin'ity herinandro ity mba hamonjy ny Kaonferansa Manerantany Momba ny Fifandraisandavitra Iraisampirenena (WCIT), ary miankina amin'izay vinavina hiseho, mety hisy voka-dratsy eo amin'ny hoavin'ny Aterineto araky ny fantatsika izany. Tao anatin'izay volana vitsy izay, nandefa fanairana noho ny antony mitombina amin'izay mety ho vokatry...

Costa Rica: Nanasonia Ny Fanambarana Fahalalahan'ny Aterineto Ny Filoha

GV Mpisolovava  06 Desambra 2012

Nanao sonia [en] tao amin'ny habaky ny Fanambarana ny Fahafahan'ny Aterineto [mg] ny Filoha araka ny Lalampanorenana ao Costa Rica Rtoa Laura Chinchilla ary hiantso ny mpitondra amin'izao tontolo izao " hiaraka amintsika hitandro sy hamelona sy hiaro izany fisokafana sy fahafahana azo anorenana ny hoavy mamirapiratra izany"