Tantara misongadina mikasika an'i Fitantanana-aterinet
Pakistana: Nakatona ny Twitter

Nakatona ny Twitter tao Pakistana indray alahady. Nilaza ny manampahefana ambony misahana ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena fa nakatona izany satria mandà hanaisotra ireo sioka sokajiana ho manaraby ny...
-
Miantso Fanairana Ny WCIT: Fotoana Hamelarana Ny Adihevitra Momba Ny Fitantanana Ny Aterineto
08/12/2012
-
Costa Rica: Nanasonia Ny Fanambarana Fahalalahan'ny Aterineto Ny Filoha
06/12/2012
-
Tetikasa Fandikanteny: Fanambarana Fiarovana Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ankapobeny 21/11/2012
-
Mibilaogy Amin'ny Anaran'i Hamid
20/11/2012
-
Miaro Ny Aterineto Misokatra : Miray Hina Ireo Mafana Fon'ny Aterineto
13/11/2012
Tantara farany mikasika an'i Fitantanana-aterinet
15/12/2012
Andron'ny Zon'olombelona: Miaro Ny Fahalalam-pitenenana, Amin'ny Aterineto Sy Ivelan'ny Aterineto

Mankalaza ny Ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona (UDHR), izay nankatoavina tamin'ny 10 Desambra 1948 ny Andron'ny Zon'Olombelona [Human Rights Day]. Nanatontosa horonantsary momba ny zon'ny olona rehetra mba “hahatonga ny feon'izy ireo...
14/11/2012
Ejipta: Hijanona Eto Ve Ny Vetaveta Anaty Aterineto?

Anivon'ireo olana manery indrindra ny firenena amin'izao fotoana izao ny ady mitohy mikasika ny lalàm-panorenana Ejiptiana amin'ny hoavy sy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fahasalamana Ejiptiana izay naharitra iray volana mahery ... sa izy ireo mihitsy no loha-laharana? Araka ny fantatra dia nanapa-kevitra ny Mpampanoa lalàna fa mila teatra bebe kokoa ny vahoaka ary nanambara fa hanomboka hisakana ireo vohikala mamoafady i Ejipta.
10/11/2012
Azerbaijan: “Firenena manaratsy ireo mpampiasa tambajotra sosialy ho marary saina”

Raha tany amin'ny fifidianana filoham-pirenena tany Etazonia ny mason'ny rehetra, nisy fivoriana iraisam-pirenena kosa nanomboka tamin'ny Talata tany Baku, renivohitr'ilay Repolika Sovietikan'Azebaijan taloha. Ny Valan-dresaka ho an'ny Fitantanana ny Aterineto (IGF) faha-fito karakarain'ny Firenena Mikambana dia mitaky ny fitondràna ireo "mpandray anjara rehetra" ho mpiara-miasa mitovy mba hiadian-kevitra momba ireo olana lehibe mifandraika amin'ny hoavin'ny aterineto, ary koa ireo olan'ny fitsipika, fandrindràna, ary mazava ho azy, ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto.
09/11/2012
Hong Kong: Miampanga Ny Youtube Noho Ny Famafàna Asa Nahazoan-dàlana Ny Vondrona Mpiahy Ny Asa Nadika

Namoaka fanambaràna iray ny Vondrona Mpiahy ny Asa Nadika any Hong Kong vao haingana izay, miampanga ny Youtube noho ny famafàny hira iray nadika nahazoana alàlana ho fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny filentehan'ny sambo farany teo.
05/11/2012
Henjanin'ny Fiombonambe Eoropeana Ny Fepetra Fanarahamaso Ny Fanondranana Teknolojia

“Tsy azo ekena mihitsy ny hoe hampiasàn'ny fitondrana Siriana sy Iraniana ny teknolojia Eoropeana mba hanitsakitsahana ny zon'olombelona”. Marietje Schaake
29/07/2012
Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing

Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.
25/06/2012
Shina: Voasakana Nandritra Ny Fotoana Tsy Maharitra Ny co.jp, Ilay Sehatra Sangany Amin'ny Firaketana Anarana

Nosakanan'ny Great Firewall Sinoa mihoatra ny 30 ora ilay sehatra sangany amin'ny firaketana anarana, co.jp
06/06/2012
Shina: Ady Isan-taona Hanoherana ny Sivan'ny 4 Jona

Omaly no fiaretan-tory fankalazana isan-taona amin'ny alàlan'ny fandrehetana labozia ny vonomokan'ny 4 Jona tao Hong Kong. Manerana ny sisintanin'ny tanibe Shina, dia datin'andro ho an'ny sivana aterineto izy ity. Ilay...
29/05/2012
Nabeel Rajab: Mitohy Ny Tolona Any Bahrain

Navoaka tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra $800 ny Filohan'ny Foibe Bahraini momba ny Zon'olombelona, Nabeel Rajab, hoy ny mpisolovava azy, Mohamed Al Jishi. "Ity no fotoana voalohany teo amin'ny fiainako nitanana ahy nandritra ny fotoana naharitra. Namafisin'ny zavatra niainako tany am-ponja ny finoako fa mpanao didy no mifehy antsika. Mila miziriziry hanohitra isika, ary hiady mafy hanohitra ity famoretana sy tsy rariny ity mandra-pahatanteraka ireo fangatahana rehetra izay nanatanterahantsika hetsi-panoherana tamin'ny 14 Febroary. Hitohy ny tolontsika mandrapahazoantsika ny zontsika rehetra."
25/04/2012
Sina: Fanandramana Ny “Fanapahana Vonjimaika” ny World Wide Web?

Nanjary "intranet" ny aterineton'i Sina nandritra ny adiny roa teo ho eo ny 12 Aprily. Tsy afaka niditra tamin'ny World Wide Web (WWW) ny mpampiasa aterineto rehetra tany Sina ka tsy afaka nifandray tamin'ireo vohikalan-tambajotra sosialy sy mailaka rehetra tany ivelany. Mino ireo mpampiasa aterineto fa fanandramana ny sivana aterineto ho an'ny "Fanapahana vonjimaika".






























RSS ho an i Fitantanana-aterinet 








tena mampijaly vahoaka tokoa ity TGV ity , betsaka @zao no tsy misakafo afatsy...