Global Voices teny Malagasy » Human Rights Video

Tonizia : Raofina eo an-tseranana ny bokin’ny bilaogera
Raha niverina hody tany Tunis avy tany Le Caire tamin’ny herinandro teo ny bilaogera Zizou from Djerba dia nahazo nihoatra noho ny firariana tonga soa nandrasany.

Teo an-tseranam-piaramanidina tao Tunis dia nohodidinina mpiasan’ny Ladoany sy manamboninahitra I Zizou ka nosavaina tsara any entany, boky roa no notazonina tamin’izany. Tsy gaga loatra ny mpamaky an’I Zizou.

“Ka izay indrindra anie no zavamisy eto amin’ny tanànantsika fa tsy izay voalazan’ny gazety e!” hoy ny iray nanehony heviny.

Malaza amin’ny fanapenam-bava I Tonizia. Matetika no voasivana na raofina ny boky, mikatso ny vohikala ary teriterena na samborina ny bilaogera.

Toy izao ny fitantaran’I Zizou:

Vol : Le Caire - Tunis Hier soir

Je passe le controle de police tres rapidement et sans aucun probleme , le policier n'avait pas de moustache, Il etait tres gentil et tres accueillant.

Je mets mes bagages a mains au Scanner et je passe par le portail detecteur de metaux qui affiche vert. La ! Le policier qui manipule la machine a rayons X me demande si j'ai des livres dans mes bagages. J'ai dit oui… J'ai pris mes bagages du scanner, j'ai recupere ma valise , fait un pt tour au freeshop et puis je me suis dirige vers la sortie.

Sidina avy any Le Caire hody eto Tunis halina

Vetivety tsy nisy olana ny nandalovako ny fisavan’ny polisy, tsy misy volombava ilay polisy, tena mahay mandray sy manaja olona tokoa izy.

Nalefa teo amin’ny Fahita-soritaratra ny entana fitondra an-tanana ary nandalo teo amin’ny vavahadin’ny fizahana metaly aho ka ny jiromaitso no nirehitra. Teo indrindra nonanotany ahy ny polisy iray raha nitondra boky any anaty entako any aho. Nihatoka ny lohako nanaiky…sady nandray ny entako teo amin’ny Fahita-soritaratra aho, nalaiko ny valiziko, nijery entana teny ampivarotana tsymisy haba aho ary nizotra ho eny amin’ny fivoahana avy eo.

A ce moment la j'ai vu un agent en uniforme qui s'approchait de l'officier des douanes et lui soufflait qlq mots en ma direction. Automatiquement, l'officier des douanes me demande de m'arreter et de partir pour la fouille. La ! un comite d'accueil qui inclut 3 policiers en civil, deux officiers de douanes (3 etoiles), plusieurs agents entourent mes bagages, parcourent mon passport et me posent des questions quant a ma profession.

Tout s'est tres bien passe, les services de douanes et de polices ont ete tres courtois et tres poli. Ils ont note mon adresse detaille a Tunis et puis ils m'ont informe que deux livres que j'ai achete en Egypte vont etre saisis temporairement. Il s'agit de “memoire d'un militant” de Mahmoud Materi et “Ma part de verite” de Mohamed Mzali.

Tamin’io fotoana io dia hitako ny mpitandro ny filaminana iray nanatona ny manamboninahitry ny Ladoany ary nanipy teny vitsivitsy sady nijery ahy. Nanajanona ahy avy hatrany ilay manamboninahitra mba hanaovana ny fisavana. Polisy tsy manao fanamiana telo sy manamboninahitry ny Ladoany roa, ary mpiasa maro hafa no nanodidina ahy sy ny entako, nijery ny pasipaoroko ary nanontany ahy momba ny asako.

Nizotra tsara ny zava-drehetra ary feno fanajana sy mahalala fomba tsara ny mpiasan’ny Ladoany sy ny polisy teo. Noraisiny an-tsoratra ny adiresiko eto Tunis ary nampahafantariny ahy fa tazonina vetivety aloha ny boky roa novidiako tany Le Caire. “Tadidin’ny mpitolona iray” nosoratan’I Mahmoud Materi sy “ Ny marina ho ahy” nosoratan’I Mohamed Mzali ireo boky ireo.

J'avoue que cet attroupement pacifique de services de l'ordre et de douanes m'a inquiete. Qu'avais je fais de mal pour qu'autant de haut grades debarquent? Est ce que ces livres portent un messages ou une ideologie ennemie ? Est ce qu'il est interdit de lire des autobiographies d'anciennes figures du parti destourien et de personnalites importantes de l'histoire de mon pays? Je suis vraiment surpris et j'avoue que j'ai eu peur… Que se passera t'il par la suite ? Dois je essayer de recuperer les livres ? Dois je arreter de m'interesser a l'histoire de la Tunisie ? Je ne sais plus quoi faire ni quoi penser?

Tsoriko fa nampanahy ahy ny fivorivorian’ireo mpitandro ny filaminana sy ny Ladoany manodidina ahy ireo. Fa inona ny ratsy nataoko no tonga hatramin’ny manamboninahitra ambony?fa angaha misy hafatra sa fotokevitry ny fahavalo ny boky novidiako? Voarara angaha ny famakiana ny boky mitantara ny fiainany nosoratan’ireo olona fanta-daza teo amin’ny tantaran’ny tanindrazako sy avy amin’ny fitondrana teo aloha? Tena sady gaga aho no natahotra…inona izany no hitranga avy eo? Afaka mitaky ny bokiko ve aho any aoriana any? Atsahatra hatreo ve izany ny fitiavako hahalala ny tantaran’I Tonizia? Tsy hitako intsony izayhataoko na eritreretiko.

Fomba mahazatra any tonizia ny Sivana

Tsy fahatezerana na fahatairana no namalian’ny mpamaky an’I Zizou fa fanekena tsy satry ny zavatra efa niainana tany Tonizia nandritra ny taona maro.

Bloton:

Ils vont les lire pour voir s'il y a qque chose de suspect (enfin suspect suivant leur normes). Pour eux, l'histoire de la Tunisie commence en 1987…

Hovakiany aloha ireny hijereny saomisy zavatra mampiahiahy (araka ny fijeriny). Nanomboka tamin’ny taona 1987 manko ny tantaran’I Tonizia hoazy ireo.

samsoum:

Eh oui, ca c'est la réalité de notre pays, pas ce qu'on lit dans les journaux

“Ka izay indrindra anie no zavamisy eto amin’ny tanànantsika fa tsy izay voalazan’ny gazety e!”

Emma Benji:

yé Zizou, tawa ne sais tu pas que le tunisien ne lit pas.

Donc rien que le fait que tu aies un livre c'est louche…parce que bientot y aura une loi nqui interdira de lire quoi que ce soit, mis a part les manuels scolaires

Ry Zizou a! tsy fantatrao angaha fa tsy mamaky teny ny Toniziana?

Izany hoe ny fanananao ireo boky ireo dia efa amampiahiahy…satria tsy ho ela dia hivoka ny lalàna mandra ny vakiteny ankoatra ny boky ho an’ny mpianatra ihany.

Profilo:

C'est malheureusement la Tunisie. Je crois que le mieux est de lire à l'étranger et de ne rien apporter ici. en plus le slivres concernent la Tunisie donc ils sont parano qu'ils doutent de toutes choses qui a relation avec le bled.

en plus toi t'es passé par des pays qui sont louches pour eux le soudan et apres l egypte.

Mampalahelo fa izay no atao hoe Tonizia aminy. Mino aho fa ny tsaratsara kokoa dia any ivelany no mamaky teny fa tsy mitondra na inona na inona aty. Manaraka izany dia momba an’I Tonizia ny boky ka miresaka momba ny eto avokoa ny zavatra rehetra. Ambonin’izany ihany koa dia firenena mampiahiahy azy ireo no nandalovanao dia I Soudan sy Ezipta.

Fa misy ny boky tokony ho raofina

Na izany aza dia misyihany koa ny mpamaky no manohana ny tokony handraofana ny boky amin’ny tranga sasany. Olona iray tsy nitonona anarana no nanoratra:

Je suis d'accord pour qu'on contrôle et qu’on interdise les livres haineux. En France et en Allemagne, ils ont longtemps interdit Mein Kampf…. mais là ça devient de la paranoïa…

LA question qui se pose : Est simplement un excès de zèle de la part du service de police de l’aéroport ? Ou est ce que sont des instructions qui viennent d’en haut, ou plutôt « tawjihète sayed el Raiis »

Izaho kosa mahita fa ilaina ny fisavana ary tokony horarana ny boky feno fankahalana. Voarara hatramin’ny ela ny Mein Kampf any Frantsa sy Alemaina…fa eto kosa efa tafahoatra…

Ny fanontaniako izany dia hoe: mihoa-pahefana ve ny mpiasan’ny seranana? Sa izayno baiko avy any ambony? Sa mba tahaka ny hoe « tawjihète sayed el Raiis » [Andriamatoa filoha hajaina] ihany?

Ary hoy ny hafa :

Je suis pour la saisie du livre de Mzali. Le mec est connu pour ses détournements (à part de fonds) de la réalité et pour semer la zizanie. Quant à celui de Materi????

Tena ekeko ny nandraofana ny bokin’I Mzali. Malaza amin’ny fanodinana (ankoatra ny vola) ny marina hampisy korontana manko ranamana io. Ary ny bokin’i Materi indray???

Fisainan’ondry

Nanoratra hamaliana ny hevitra sasany i Julian Sark:

… il ne faut jamais donner main libre aux controlleurs qui vous dictent ce qui est à lire et ce qui est tabou.

Parce que dans ce cas le peuple sera guidé comme un troupeau de moutons, ce qui est le cas maintenant.

…Tsy azo omena fahalalahana hibaiko izay tokony hovakiana sy horarana ny mpisava. Fa raha tsy izany dia entina toy ny andian’ondryny vahoaka, ary izay no mitranga ankehitriny.

“Lasa adala ve izao tontolo izao?”

Mpamaky iray tany Frantsa no nanamarika fa tsy I Zizou irery no tratran’izany zavatra izany. Nanoratra ary ramatoa Frantsay fa nandefa taratasy nisy boky roa, sary maromaro ary rado tamin’ny namany tany Tonizia izy.

Rehefa naka ny entana tany amin’ny paositra ny namany dia tsy tao ny boky roa The Prophet an’I Khali Gibran syThe Alchemist an’i Paulo Coehlo.

“Inona ny fahadalana voasoratra ao amin’ireo boky ireo” Hoy ilay Frantsay. “Momba ny fahatsaran’ny fiainana no ambaran’ireo boky ireo dia ny fifaliana sy ny fahatsorana fa tsy misy teny masiaka”.

Fa na dia efa nandefa fax tany amin’ny Minisitryny Atitany aza aho aryefa niverimberina tany amin’ny biraon’ny paositra dia tsy hita ihany ny nalehan’ireo boky ireo.

Je suis très choquée, existe t'il une liste noire de ce qui est permis ou interdit de lire ? la censure à ce point, mais c'est ridicule ! Heureusement que j'ai de l'humour, ça me fait presque rire …

Comment peut-on asservir les gens à ce point, les brimer ? De quel droit peut-on se permettre d'aliéner les consciences ? C'est horrible ! Des 2 côtés de la Méditerranée, ça dégénère : nous avec notre loi ADN, eux avec leur censure, mais c'est quoi ce monde de dingues ?

J'avoue que je n'ai toujours pas compris.

Tena tezitra aho, misy lisitra mainty milaza izay avela sy voarara hovakiana ve? Fa raha ny sivana tahaka izao kosa, tena fahadalana e! Soa ihany fa katsikana aho, saiky nampihomehy ahy ilay izy …

Fa ahoana no nahatongavana tamin’ny fanandevozana ny vahoaka tahaka izao, fampijaliana azy tahaka izao? Zo avy aiza no ahafahany mibaiko ny sain’ny olona? Tena maharikoriko! Mitotongana mihitsyny toe-draharaha amin’ny andaniny sy ankilan’I Mediteranea, ny anay amin’ny lalànan’ny ADN, ary ny anareo amin’ny sivana, fa naninona ity izao tontolo izao lasa dondrona ity e?

Tsoriko fa tsy mbola azoko hatramin’izao!

Jennifer Brea

Madagasikara: ny momba ny fandroahana any Frantsa
Ny tahotra mpifindra monina, nampian’ny fifampihenjanana eo amin’ny samihafa volon-koditra sy ny rotaka tany amin’ny faritra manodidina ny tanandehibe tamin’ny ririnina 2005, no nanosika ny Minisiteran’ny atitany frantsay hanenjana kokoa ny ady amin’ny fifindra-monina an-tsokosoko. Voakasik’izany politikam-pandroahana mpifindra monina tsy manana taratasy manome alalana hisari-monina ao Frantsa izany ihany koa ireo mpifindra monina Malagasy fihaviana. Misarika ny sain’ny mpitoraka bilaogy maro ilay halakin’ny  fanatanterahana ny fombafombam-pandroahana hivoaka ny zaratany frantsay. Indreto misy hevitra sy fijoroana vavolombelona momba ity raharaha ity.

Avoitran’i Blog d’Hiver ohatra fa :

Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay dia nodidiana handroaka olona tsy manana taratasy hatramin’ny  25.000 isan-taona  Prefe sy ny polisy any an-toerana. Ny fandroahana ny ankohonana manontolo no paika vaovao nampiharina tamin’ny taona 2006 : Miaraka meloka ny ray aman-dreny sy ny zanany amin’izay tonga dia misy 4 na 5 aloha izay voaroaka hanatrarana vetivety ilay tanjon’ny 25.000 isan-taona.

Sarotra tsy araka izay nantenaina anefa ny nampiharana ilay didy. Nisy mpizaka ny zom-pirenena frantsay maromaro manko raha nahita ny polisy tonga nisambotra ankizy mpianatra tany an-tsekoly na nisambotra zaza tany amin’ny tobim-panaovana vakansy nahasahy nandray an-tanan-droa (efa mampigadra koa manko izao ny fanampiana ireo olona tsy manana antotan-taratasy ijanonana any Frantsa) amin’ny fiarovana ireo ankohonana samborina ireo. Anisan’izany ny “Réseau Education Sans Frontières. »

Mahalala tsara ny Malagasy fa voafehin’ny lalana manokana ny resaka fifindra-monina. Na izany aza, mangidy mafaitra amin’ny mpitoraka bilaogy maro ny fomba anatanterahana ny fandroahana.

Anisan’izany, Harinjaka izay mitantara toy izao: Amin’izao fotoana izao indrindra dia eo ampisintosintonana NENIBE malagasy 71 taona handroaka azy hiala amin’ny firenena ny polisy frantsay na dia efa nonina tao Frantsa nandritra ny dimy taona aza. Ny atsasa-manilan’ny zanany 7 amin’io dia monina ao Frantsa. Ny hafa sisa kosa dia eo ampikarakarana ny fahazoana zom-pirenena (frantsay raha ny fahazoan’ny mpandika teny azy) eto Madagasikara. Frantsay io fianakaviana io, efa tafiditra sy mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena any Frantsa. Efa fotoana amin’izay izao hieritreretana…

Misy ohatra amin’ny fandroahana « rapida » ihany koa amin’ity sombin-dahatsoratra manaraka ity :

Sarintsarim-pitsarana, tahaka ny fahita mahazatra rehefa misy raharaha mikasika vahiny, ihany ny fandalovany tao amin’ny tiribonaly. Tsy nandefa solontena ny tany amin’ny Prefe. Tsy nisoka-bava hiaro sady tsy nampiseho ny dôsie avy amin’ny komity mpanohana na dia iray akory aza ilay mpisolovava notendrena hiaro ny “voampanga”; voatery niady irery hiaro ny tenany I Mélanie manoloana ilay mpitsara mianjonanjona manao tsinontsinona izay fandresen-dahatra nataony.

Nigadona ny 25 desambra, niaina voalohany izany hoe Noely tsy niaraka tamin’ny reniny voatana any amin’ny tobim-pitazonana I Winnie kely izay telo taona sy tapany. Ny 26 desambra, nentina tany Roissy (seranam-piaramanidina) mba halefa an-katerena aty Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaramanidina I Mélanie. Hilaozany Lafrantsa, firenena azo heverina avy hatrany fa tsy hahazoany visa intsony. Fa ny tena ilaozany ao <city w:st="on"></city>

<place w:st="on"></place>Paris dia I Winnie zanany, telo taona sy tapany, mianatra ao amin’ny boriborintany faha-18, ho eo ambany fiahian’ny rainy, saingy ho kamboty (velon-d)reny tsy fidiny.

Tsy nampino ahy ny tantara, saingy izao tokoa no vitany : Noroahiny ny reniny ary nosarahany tamin’ny zanany vavikely teraka tao Frantsa. Aoka indrindra re tsy hiteniteny aminay ny momba ny zo fototra na zon’ny ankizy aorian’izany tantara izany…

I Vola kosa ao amin’ny bilaoginy Brotherhood dia niangavy mba hamaky ny fijoroana vavolombelon’ireto voaroaka iretono nampirisika ihany koa hampiely azy :

Ataovy vita printy sy vakio ange ny traktan’ity fikambanana miasa anilan’ireo efa mialokaloka, mpifindra monina sy mangataka fialokalofana fa maneho fijery hafa mihitsy momba ity fifindra-monina ity.Ary hoy izy namehy ny teniny :Tsy maintsy atsahatra hatreo ny mijery ny fifindra-monina ho olana !

Mihevitra ihany koa izy (tsindrio eto) fa singa amin’ny ho avin’i Lafrantsa io: Alaivo sary an-tsaina kely ange ny fahavitrihan’ireo olona ireo mitady ny fomba rehetra iasana mba ahafahany miditra anaty fiaraha-monina fotsiny ihany.

Anjaran’i SipaKV ny namaran-teny mikasika ilay oronantsarimihetsika nosoratan’i Rachid Bouchareb mitondra ny lohateny hoe « Indigènes » (miresaka ny momba ny fanolorantena hatao sorona ho famonjena an’i Frantsa, tamin’ny taona 1944-45, nataon’ireo ray sy raiben’ireo tsy manana atontan-taratasy ipetrahana [any Frantsa] ankehitriny), nanao hoe :Na izany na tsy izany, ny tena tiako lazaina dia hoe : “ MISAOTRA anao Atoa Bouchareb ! MISAOTRA ry mpilalao ny sarimihetsika ” ( Indigènes)”.

Lova Rakotomalala