Tantara misongadina tamin'ny Global Voices Podcast
Global Voices Podcast: Zavatra Maro Avy Amin'ny #GV2012

Anatin'ity andiany ity ianao dia haheno zavatra maro avy amin'ny Fivoriamben'ny Global Voices izay notanterahina tany Nairobi, Kenya, tamin'ny Jolay, izay ahitàna ny sasany amin'ireo mpandray anjara avy aminay sy ireo akademisiana voafantina eran-tany nasaina ihany koa hizara ny fahalalany sy hanovo fahalalana avy amin'ilay fianakaviambe.
Global Voices Podcast: Jambo Avy Any Kenya! Ilay Fivoriamben'ny Global Voices

Inona no hoavin'ny mediam-bahoaka ao anaty aterineto? Anatin'ity andiany ity (sy ny manaraka) haheno avy amin'ireo tonian-dahatsoratra, mpanoratra, mpiara-manorina sy ireo mpandray anjara hafa tamin'ny Vovonamben'ny Mediam-bahoaka Global Voices 2012 tany Nairobi ianao mikasika ny hoavin'ny fiaraha-miasanay ao anaty aterineto.
-
Global Voices Podcast: Sakafon-tsaina, Sakafo Hohanina
14/05/2012
-
Global Voices Podcast: Mahatsiaro Ireo Androntsika Tany An-tsekoly
03/03/2012
-
Global Voices Podcast: Taom-baovao 2012 Feno Fahavitrihana
04/01/2012
-
Global Voices Podcast: Fihaonambe Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo – Ampahany 1
13/10/2011
-
Global Voices Podcast 4: Misandratra Isika Miaraka
03/10/2011
Tantara farany tamin'ny Global Voices Podcast
12/04/2012
Podcast Global Voices: Ny Lafy Tsara Sy Ny Lafy Ratsin'ny Fanentanana Antserasera
Amin'ity andiany podcast Global Voices ity, hiaraka amintsika eto i Yazan Badran, mpanoratra ao amin'ny Global Voices Syrie monina ao Japana. Ny lohahevitry ny podcast dia: ny lafy tsara sy ny lafy ratsin'ny fanentanana ankampobe ao amin'ny valantserasera.
03/02/2012
Global Voices Podcast: Bodoy Ity!
Miarahaba ny rehetra! Tonga soa eto amin'ny tafatafam-baovao Global Voices podcast andiany hafa ity. Amin'ity fizarana ity no iresahantsika ny hevitra sy ny olana manodidina ny hetsi-panoherana ataon'ny Hetsika Bodoy...
03/12/2011
Global Voices Podcast: Teknolojia hanomezan-kery bebe kokoa ny vehivavy!
Ato isika no handre ny fomba fampiasan'ny vehivavy any Ejipta ny teknolojia hiadiana amin'ny fanorisorenana, sy izay ataon'ny tonia sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices ao amin'ny Fetiben'ny Mozilla ao Londres. Homarihantsika ihany koa ny Andro manerantany iadiana amin'ny Sida amin'ny fanomezana fitenenana ireo mpikatroka momba ny resaka VIH/SIDA any Kenya sy Ejipta momba ny asa manokana ataon'izy ireo.
09/11/2011
Global Voices Podcast: Famenoana ny Banga Eo Amin'ny Teny
We also look forward to the 11 Eleven Project on 11/11/11.Ao anatin'ity famoahana Podcast an'ny Global Voices ity isika dia hiresaka ireo teny izay sarotra tadiavina eo anivon'ny aterineto. Teny iray saro-tadiavina eto amin'ny aterineto ve no teneninao? Avy aminà faritra iray izay tsy ampiasàna betsaka ny tenin-dreninao ve ianao? Ankoatra izany dia mety ho isan'ireo olona maro manerana ny tany izay miteny sy manoratra ireo "teny zara raha misy mahalàla" ianao. Miandrandra mafy ny tetikasa 11 Eleven amin'ny11/11/11 ihany koa isika
29/10/2011
Global Voices Podcast : Fivoriana Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo – Andiany faha2
Ho fanampin'ny "podcast" isam-bolana fanaonay, dia manana raki-peo manokana ho anao koa izahay avy amin'ilay vaovao vao nivoaka farany tamin'ilay Fivoriana fahatelon'ireo Bilaogera Arabo tao Tonizia. Ao amin'ity lahatsoratra ity, fanadihadihana miaraka amin'i : Zeynep Tufekci, Alexandra Sandels, Hayder Hamzoz, ary Roger Dingeldine.
08/09/2011
Global Voices Podcast 3: Fiantraikan'ny Fikomiana Arabo
Miarahaba ny rehetra! Amin'ity andiany Global Voices Podcast ity no handrenesanareo ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-bahoaka Arabo sy ahitanao izany hoe ahoana izany mpitari-dalana nomerika izany ary hiresaka momba ireo hevitra miteraka...
08/08/2011
Global Voices Podcast 2: Manome Lanja ny Fitenintsika
Miarahaba antsika rehetra! Hiresaka momba ny Fiteny indray isika amin'ity Global Voices podcast andiany faharoa ity. Azonao jerena ny lahatsoratra maromaro momba ity lohahevitra ity “amin'ny fitenintsika sy ny Aterineto“amin'ny fitantarana...
03/07/2011
Global Voices Podcast 1: Iza no inoantsika an-tserasera?
Mitenena Manahoana amin'ny podcast-nay vaovao [fandraisam-peo]! Fizarana 1: Miresaka momba ilay fitaka Gay Girl in Damascus; Mihainoa ny feo avy any Ginea-Bisao; ary ny resadreseka tamin'i Firuzeh Shokooh Valle momba ny asany amin'ny maha-tonia mpanitsy amin'ny teny Espaniola azy. [Amin'ny teny anglisy daholo ny fandraisam-peo]































RSS ho an i Global Voices Podcast 









Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa