Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny naman'i Januaria

13 Desambra 2011

Januária: Hafakely, Hafakely, Vakio Daholo Ny Momba Izany!

Rising Voices

Satria zava-dehibe ny tetikasa "Friends of Januária" na "Ireo Sakaizan'i Januaria " izay tohanan'ny Rising Voices dia misy gazety manokana antsoina hoe “Folha do Norte” (Northern Page) nivoaka mba hahazoan'ireo mponina eto an-toerana mamaky ireo tantara mahakasika ny raharaha misy eto an-toerana izay novokarin'ny olon-tsotra mpanao gazety eto an-toerana ihany.