Tantara mikasika ny Drop-in Center

Drop-in Center: Ahoana no tokony ho fomba fiasan'ny foibe fanarenana

Rising Voices  09 Jona 2019

Vao haingana i Pavel Kutsev, mpitarika ny Drop-in Center, fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola miezaka mamaha ny olan'ny olona miaina amin'ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina no nizara ny heviny momba ny fahombiazan'ny asa eny amin'ny toerana fanarenana ny olona miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina.

Drop-In Center: Fanovana bitika, Fandresena lehibe

Rising Voices  06 Jona 2019

Mamintina ny zava-bita goavan'ny fikambanany amin'ny fiarovana ny zon'ireo marary tsaboana amin'ny fanoloana opioma (opiacé) i Pavel Kutsev, filohan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola, Drop-In Center. Mampiasa ny toerana maha-mpitarika azy sy ny bilaoginy i Pavel mba hiarovana ireo zavatra manokana tena ilain'ny olona toa azy.

Valan'aretina raboka ao Okraina: An'iza ny fahadisoana?

Rising Voices  27 Avrily 2018

Nampitaitra amin'ny fisian'ny valan'aretina raboka (TB) ao Okraina ny Tahirimbola Okrainiana misahana ny olona miankindoha amin'ny rongony "Drop-In Center". Vao haingana ny tranonkalany Motylek no namoaka lahatsoratra maromaro manoritsoritra ny haben'ny olana, sy ny olana atrehan'i Okraina amin'ny ady amin'ity aretina ity.

Okraina: Fitorahana Bilaogy Momba Ny Nofy

Rising Voices  28 Avrily 2011

Taorian'ny fampianarana momba ny fampiasàna ny mediam-bahoaka, mino ireo mafana fo avy ao anatin'ny Fikambanan'ireo Mpisolovavan'ny Fitsaboana Fanolo any Okraina [ru] ary mino fa mety ho fitaovana lehibe amin'ny fampahafantarana ny fitsaboana fanolo ny fitorahana bilaogy ary hiarovana ny zon'ny marary ny fitorahana bilaogy, sady fitaovana hanoratan'izy ireo momba ny fanantenany manokana sy ny nofinofiny.

Ireo pejinay momba an i Drop-in Center

Drop-in Center Rising Voices