Tantara mikasika ny Katroka 7 Miliara
Malawi: Ilay Tanàna miitatra Sy Ilay Tetezan'ny Mpandeha An-tongotra Andoavam-bola
Efa mahatratra 7 lavitrisa ny isan'ny mponina manerantany amin'ny faran'ity volana oktobra ity, ary hita taratra ao Lilongwe, renivohitr'i Malawi ihany koa ny fitomboan'isa vetivety raha jerena ny habetsahan'ny olona tafangona eny an-tsena. Anankiroa amin'ireo tsena ireo no eny andaniny sy ankilan'ny reniranon'i Lilongwe, izay tanana zara raha mihoatra ny...
Peace & Sport : Fifampiresahana sy Filaminana Amin'ny Alalan'ny Fanatanjahantena
Meday alimo nandritra ny Lalao Olaimpika 1984, tompondaka erantany amin'ny taranja pentathlon [dimy indray miaraka] maoderina tamin'ny 1987, Joël Bouzou no mpanorina sy filohan'ny Peace and Sport, fikambanana miaro ny fandriampahalemana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, niorina tamin'ny 2007. Te-handrafitra fandriampahalemana maharitra manerana ny tany ity tetikasa ity. Any amin'ny firenena izay idirany...
Brezila: Manome Fahafahana Mamorona Fiainam-baovao Aorian'ny Fiainana Tany Am-ponja
Fony izy mbola nanefa sazy tany amponja, i Ronaldo Monteiro dia nanomboka tetikasa iray niaraka tamin'ireo mpiara-mifonja taminy ary nanova ny fiainany. Taona maro taty aoriana dia nomena fahafahana narahana fepetra izy ary mitantana ONG iray izay manome vintana ho afaka miverina eny anivon'ny fiarahamonina an'ireo tanora nandika lalàna, ireo mbola mifonja ary ireo avy nifonja
Shina: “Nisy Zavatra Tsaroanao ny Talohan'ny Nangalarana Anao?”
Raha hitsidika ny tanàna any Shina ianao indray andro any dia hahita ankizy mangataka na mitendry zavamaneno akaikin'ny gara na toerana be mpandalo mba hahazoana vola. Ny zavatra hitanao dia izay topaza-maso amin'ny olana goavana sy faran'izay manahirana eto Shina – ny fangalarana sy ny fivarotan-jaza. Tamin'ny fiandohan'ny taona 2009...
Rosia: Mampifandray Mpiray Tanàna, Mamonjy Aina
Ny mpamorona ny tranonkala izay nahatonga ny Rosiana hifanome tànana hifanampy nandritra ny doro-ala tamin'ny taona 2010 dia nanome endrika vaovao ilay tranonkala ho fomba iray hahafahan'ny olom-pirenena mifanohana amin'ny fomba vaovao - ao anatin'izany ireo mpanome rà an-tsitrapo izay mipetraka aminà toerana maro manerana ny firenena.
Okraina: Lahatsary Fohy Vokarin'ny Tanora Ho An'ny Fitovian'ny Lahy sy ny Vavy
Nandray anjara taminà fifaninanana mamokatra lahatsary fohy miady amin'ny fitsaràna an-tendrony ny vehivavy sy ho amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, ireo tanora Okrainiana. Ireny lahatsary ireny dia niresaka olana izay azon'ny olona maro takarina amin'ny tenim-pirenena maro.
Libanona: Fandrisihana Ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra Amin'ny Teny
Vondrom-piarahamonin'ireo tanora mavitrika ao Beirut, The Migrant Workers Task Force (Vondron'Asa Momba Ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra) no miezaka manohana ireo mpiasa an-trano ao Libanona izay mazàna tsy rariny mihitsy ny fepetra iainany sy iasàn'izy ireny. Mitatitra i Thalia Rahme.
Meksika: Hero Reports, Fampidirana An-tsarintany Ireo Hetsika Mahafinaritra
Ny Heroreports dia tetikasa tsy itadiavan-tombotsoa manokana naompana tamin'ny fanangonana vaovao avy eny ifotony sy fananganana sarintany itaterana ny risika sy ny fitondrantena mendriky ny olom-pirenena eny anivon'ny fiainam-piarahamonina eny. Nanomboka tao Ciudad Juárez, Meksika izy ity, toy ny hoe fandraisana andraikitra nataon'ny Foibe MIT ho an'ny Media-n'olon-tsotra antsoina hoe "Crónicas de Héroes"
Guinea : Ny Adin'i Nadine Bari Ho Fampihenana Ny Fahantrana ao Guinea
Nadine Bari dia Frantsay iray nanangana fikambanana iray ho an'ny mpiara-belona isan'ny tranainy indrindra tao Guinea, Guinée-Solidarité na Firaisankinan'i Guinée. Tamin'ny alalan'ny fanampiana avy any Eropa dia nahavita namatsy fitaovana ireo sekoly, hopitaly, sy nanampy ireo tsy manan-kialofana, kamboty ary koa zaza manan-kilema mba hahazo fanabeazana.
Shina: “Sakafo maimai-poana” ho an'ny Mpianatra Ambanivohitra avy amin'ny Fanampiana madinidinika
Nanakorontana lalina ny fanabeazana Shinoa ny elanelam-pihariana misy eo amin’ny tontolo andrenivohitra sy ny tontolo ambanivohitra. Miantraika amin’ny mpianatra any ambanivohitr’i Shina ny olana ara-drafitra tahaka ny fampianarana, fandraharahana, fotodrafitr’asa ary ny kojakojam-pampianarana noho ny tsy fahampiam-bola. Any amin’ny faritra tena mahantra, na dia ny famahanana ny kilonga mba hananany...