· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Katroka 7 Miliara tamin'ny Avrily, 2012

Ejypta: Ny Karapanondronao, Ny Zonao Ry Vehivavy

Araka ny tarehimarika avy any amin'ny Ministeran'ny Atitany Ejypsianina, mahatratra 4 tapitrisa ireo vehivavy eto amin'ny firenena no tsy manana  kara-panondro. Ny vehivavy tsy manana kara-panondro dia tsy manan-jo hanan-tany, tsy afaka mividy na mivarotra tapakilan-drenivola ary tsy afaka mandova raha misy ny fahafatesana eo amin'ny fianakaviana. Mandrara ny vehivavy tsy hiditra amina karazana raharaham-panjakana ihany...