· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Katroka 7 Miliara tamin'ny Oktobra, 2011

Peace & Sport : Fifampiresahana sy Filaminana Amin'ny Alalan'ny Fanatanjahantena

  19 Oktobra 2011

Meday alimo nandritra ny Lalao Olaimpika 1984, tompondaka erantany amin'ny taranja pentathlon [dimy indray miaraka] maoderina tamin'ny 1987, Joël Bouzou no mpanorina sy filohan'ny Peace and Sport, fikambanana miaro ny fandriampahalemana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, niorina tamin'ny 2007. Te-handrafitra fandriampahalemana maharitra manerana ny tany ity tetikasa ity. Any amin'ny firenena izay idirany...

Brezila: Manome Fahafahana Mamorona Fiainam-baovao Aorian'ny Fiainana Tany Am-ponja

  19 Oktobra 2011

Fony izy mbola nanefa sazy tany amponja, i Ronaldo Monteiro dia nanomboka tetikasa iray niaraka tamin'ireo mpiara-mifonja taminy ary nanova ny fiainany. Taona maro taty aoriana dia nomena fahafahana narahana fepetra izy ary mitantana ONG iray izay manome vintana ho afaka miverina eny anivon'ny fiarahamonina an'ireo tanora nandika lalàna, ireo mbola mifonja ary ireo avy nifonja

Shina: “Nisy Zavatra Tsaroanao ny Talohan'ny Nangalarana Anao?”

  13 Oktobra 2011

Raha hitsidika ny tanàna any Shina ianao indray andro any dia hahita ankizy mangataka na mitendry zavamaneno akaikin'ny gara na toerana be mpandalo mba hahazoana vola. Ny zavatra hitanao dia izay topaza-maso amin'ny olana goavana sy faran'izay manahirana eto Shina – ny fangalarana sy ny fivarotan-jaza. Tamin'ny fiandohan'ny taona 2009...

Rosia: Mampifandray Mpiray Tanàna, Mamonjy Aina

Ny mpamorona ny tranonkala izay nahatonga ny Rosiana hifanome tànana hifanampy nandritra ny doro-ala tamin'ny taona 2010 dia nanome endrika vaovao ilay tranonkala ho fomba iray hahafahan'ny olom-pirenena mifanohana amin'ny fomba vaovao - ao anatin'izany ireo mpanome rà an-tsitrapo izay mipetraka aminà toerana maro manerana ny firenena.