GlobalVoices anaty

Tahiry Lohahevitra manokana · 14 Lahatsoratra

Nanaovan'ny UNFPA komandy ireto Katroka 7 Miliara lahatsoratray ireto.


Tantara farany mikasika an'i Katroka 7 Miliara

08/11/2011

Sary Lahatsoratra
Kioba: Mpiaro Ny Habaka Maitso Eny An-tanàn-dehibe

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny Desambra 2006 dia notapahana ny hazo be iray efa anjato taonany antsoina hoe Ceiba, na Kapoaka, tao San Agustín mpifanolo-bodirindrina amin'ny Havana, renivohitra Kiobana. Ity tranga nampalahelo ity dia nanosika ireo tanora Kiobana hanangana ny El Guardabosques (Ny Mpiambina ny Ala na Forest Ranger).

07/11/2011

Video Lahatsoratra
Timor Atsinanana: Fidirana An-tsehatra Amin'ny Famoronana Sy Ny Kolontsaina

Ilay mpanakanto David Palazón ao Barselona dia namarana ny asany amin'ny maha mpanakanto azy tao Timor Atsinanana, kanefa toy ny karazana fiatoana ihany izany. Ankehitriny izy dia mandray anjara amin'ny tetikasam-pikarohana momba ny kolontsaina timaore, ary manantena ny hanokatra sekoly manokana ho an'ny orinasam-pamoronana, mba hanetsehana ny lafiny arak'asa momba ny toekarena tsy miankina amin'ny solitany; ny orinasa madinika sy ny fizahantany.

29/10/2011

Ejipta: Tetikasa-na kilasy Iray Lasa Fikambanana Mpanao Asasoa Anisan'ny Goavana Indrindra Ao Ejipta

Tohin'ny lahatsoratra

Niainga tamin'ny adihevitra natao nandritra ny fampianarana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Kairo ka hatramin'ny fananganana fikambanana mpanao asa soa anisan'ny goavana indrindra ao Ejipta. Ity ny tantaran'ilay mpampianatra eny amin'ny Anjerimanontolo Sherif Abdel-Azim nanangana ny Resala.

26/10/2011

Mozambika: Fampivondronana Ireo Tantsaha Madinika Mba Hanànana Ho Avy Mamirapiratra

Tohin'ny lahatsoratra

Atoa Júlio dos Santos Pêssego no anisan'ireo mpitarika voalohany ny "hetsiky ny tantsaha" ao amin'ny faritanin'i Niassa ao Mozambika. Manampy amin'ny fananganana vondrona eo amin'ny fiarahamonina ka miasa mba hiarovana ny zo amin'ny fananan-tany, hampitomboana ny famokarana sakafo ary hiainan'ny fianakavian'ny tantsaha ao anatin'ny fahampiana.

19/10/2011

Peace & Sport : Fifampiresahana sy Filaminana Amin'ny Alalan'ny Fanatanjahantena

Tohin'ny lahatsoratra

Meday alimo nandritra ny Lalao Olaimpika 1984, tompondaka erantany amin'ny taranja pentathlon [dimy indray miaraka] maoderina tamin'ny 1987, Joël Bouzou no mpanorina sy filohan'ny Peace and Sport, fikambanana miaro ny fandriampahalemana...

Video Lahatsoratra
Brezila: Manome Fahafahana Mamorona Fiainam-baovao Aorian'ny Fiainana Tany Am-ponja

Tohin'ny lahatsoratra

Fony izy mbola nanefa sazy tany amponja, i Ronaldo Monteiro dia nanomboka tetikasa iray niaraka tamin'ireo mpiara-mifonja taminy ary nanova ny fiainany. Taona maro taty aoriana dia nomena fahafahana narahana fepetra izy ary mitantana ONG iray izay manome vintana ho afaka miverina eny anivon'ny fiarahamonina an'ireo tanora nandika lalàna, ireo mbola mifonja ary ireo avy nifonja

13/10/2011

Video Lahatsoratra
Shina: “Nisy Zavatra Tsaroanao ny Talohan'ny Nangalarana Anao?”

Tohin'ny lahatsoratra

Raha hitsidika ny tanàna any Shina ianao indray andro any dia hahita ankizy mangataka na mitendry zavamaneno akaikin'ny gara na toerana be mpandalo mba hahazoana vola. Ny zavatra hitanao dia...

02/10/2011

Rosia: Mampifandray Mpiray Tanàna, Mamonjy Aina

Ny mpamorona ny tranonkala izay nahatonga ny Rosiana hifanome tànana hifanampy nandritra ny doro-ala tamin'ny taona 2010 dia nanome endrika vaovao ilay tranonkala ho fomba iray hahafahan'ny olom-pirenena mifanohana amin'ny fomba vaovao - ao anatin'izany ireo mpanome rà an-tsitrapo izay mipetraka aminà toerana maro manerana ny firenena.

26/09/2011

Video Lahatsoratra
Okraina: Lahatsary Fohy Vokarin'ny Tanora Ho An'ny Fitovian'ny Lahy sy ny Vavy

Tohin'ny lahatsoratra

Nandray anjara taminà fifaninanana mamokatra lahatsary fohy miady amin'ny fitsaràna an-tendrony ny vehivavy sy ho amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, ireo tanora Okrainiana. Ireny lahatsary ireny dia niresaka olana izay azon'ny olona maro takarina amin'ny tenim-pirenena maro.

18/09/2011

Video Lahatsoratra
Libanona: Fandrisihana Ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra Amin'ny Teny

Tohin'ny lahatsoratra

Vondrom-piarahamonin'ireo tanora mavitrika ao Beirut, The Migrant Workers Task Force (Vondron'Asa Momba Ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra) no miezaka manohana ireo mpiasa an-trano ao Libanona izay mazàna tsy rariny mihitsy ny fepetra iainany sy iasàn'izy ireny. Mitatitra i Thalia Rahme.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny