Tantara farany mikasika an'i Wolof
10/05/2013
Senegaly : Ny « Vaovao Vita Rap », Vaovao An-tSary Tsy Manara-Penitra
Nahita vaovao an-tsary amin'ny endrika vaovao ny mpijery fahitalavitra ao Sénégal, vaovao atolotry ny mpiangaly rap roa malaza ao an-toerana dia i Xuman (39 taona) sy i Keyti (40 taona), iresahana vaovao politika sy sosialy ary iraisampirenena amin'ny teny wolof sy frantsay. Manazavazava amin'i Anna Guèye ireo artista.
14/03/2013
Sénégal: Namoy ny Ainy ao anaty Haintrano Ny Ankizy eny An-dalambe ao Dakar
Farafahakeliny sivy no maty nandritra ny hain-trano tamin'ny alahady harivan'ny 4 marsa lasa teo nitranga tao amin'ny fokontanin'i Médina ao Dakar. Farafahakeliny ny sivy amin'ireo dia talibés (mpianatra ao amin'ny...
08/02/2013
Fidirana Teo Amin'ny Sehatra Politika Somary Nisamboaravoara Ho An'Ilay Mpitondra Tenin'ny Governemanta Tao Senegal
Sarotra dia sarotra ny fidiran'i Abdou Latif Coulibaly, Senegaly mpanao gazety mpikaroka fanta-daza, izay lasa minisitry ny Fahaiza-mitantana sady mpitondra teny ny Governemanta Senegaly teo amin'ny sehatra politika . Niteraka fizarazaran'ny fomba fijery maro be teo amin'ireo mpikatroka mafana fo sy ny mpitoraka bilaogy Senegaly ny fivoahana farany nataony vao haingana kely teo, izay manavaka ireo mpanao hetsiky ny M23 amin'ny Y'en a marre
18/08/2012
Sénégal : « SunuCause », Tranonkalan'ny Maha-Olona
Ilay andianà Senegaly bilaogera izay namorona ny #sunu2012 mba handrakotra ny fifidianana filoham-pirenena natao ny Febroary 2012 tamin'ny alàlan'ireo tambajotra sosialy, dia nirotsaka nandray anjara aminà asa fanehoam-piraisankina, tamin'ny fananganana ny SunuCause. Ny tanjona dia ny hanaitra ny sain'ireo mpikirakira aterineto amin'ireo olan'ny fiarahamonina
23/04/2012
Sénégal : #Sunu2012, Fomba Iray Hitan'ny Afrikana Hanaraha-maso Ny Fifidianana
Ny harivan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenana senegaly, tamin'ny 9 ora alina i Pape Alé Niang mpanao gazetin'ny 2stv dia efa afaka nanome sahady ny fironana mavesatra avy amin'ireo vokatra. Ireo vokatra sy vinavinan'ny #Sunu2012 no navoakan'ny fahitalavitra senegaly ary avy amin'izy ireny no azo antoka fa nahafahana voalohany indrindra namoaka vokatra dieny vao tamin'ny 9 ora alina fotsiny.Sunu2012 dia tetikasa iray nosainina sy novokarn'i Cheikh Fall tamin'ny 2008. Ity no hahafantarana bebe kokoa momba io tetikasa io :
22/04/2011
Senegaly: Hetsika “Leo izahay” hatreny an-tranokala ka hatrany an-dapam-panjakana
Nandritra ny hetsiky ny revolisiona arabo, nahita ny fandraisana andraikitra maromaro an'ireo tanora tezitra amin'ny aterineto ny tranokala senegaley. Nanomboka ny volana martsa, nivoaka ny tranonkala ny fanentanana ary lasa...
19/03/2011
Senegal: 19 Martsa, Andron'ny Hetsika
Mitsoka manerana an'i Maghreb sy Atsinanana Afovoany ny rivotry ny fikomiana. Maneho ny tsy fifaliana amin'ireo firiorion'ny governemantany ny mpanohitra. Voafidy ho daty hanaovana ireo fihetsiketsehina ao amin'ny firenena ny 19 Martsa 2011.






























RSS ho an i Wolof 



Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa