The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Okrainiana Tahiry Sokajinteny

RSS ho an i Okrainiana

2009-04-17

I Rosia, i Iokraina, ny helotanin’ny Balkana: Vaovao entin’ny Eurovision

Efa ho tapitra ny fifandirana nentin’ny fifaninana hira tao anatin’ny sehatra Eurovision ao Georgia(na, nohon’ny fomba fijerin’ny sasany, dia tonga teny amin’ny teboka farany ambony izany), satria moa ankehitriny dia nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny ity sehatra izay tontosaina amin’ny herintaona ao Moscow ity intsony I Georgia, dia ity manaraka ity no fangatahan’ny firaisan’ny fampielezam-peo Eropeana izay fantatra fa nanova ny tononkira mitondra ny lohateny hoe “We Don’t Wanna Put In” (tsy ilainay Put In) na mety hafa mihintsy ilay hira nampidirina. Kanefa dia nahitana fifandirana ihany koa ny hira nampidirin’ny Rosia ankehitriny

2009-02-25

Iokraina: “Nasionalista Iokrainiana miteny rosiana”

Tafapetraka ao anatin’ny lisitra faha-4 malaza indrindra ao amin’ny Yandex Blogs ireo izay tafiditra ao anatin’ity bolongana ity(RUS), bolongana iforonan’ireo tsikera an-jatony. Manazava etona ny dikan’ny hoe “Nasionalista Rosianina – Iokrainianina” ny mpampiasa Li antsoina hoe alek-ya:

2007-09-27

Ukraine : Fifidianana ao amin’ny Nosin’ny Menarana

Ny Ukraine List dia hanaramaso ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 30 septambra ho avy izao ao amin’ny nosin’ny Menarana izay ahitana mponina 50 ka hatramin’ny 100, araka ny fomba fanisana azy sy ny faharetany ao. Ny nosin’ny Menarana, ao amin’ny ranomasina Mainty, no ivon’ny fifanolanan’i Ukraine sy Roumanie izay samy ...