Tantara mikasika ny Tiorka tamin'ny Jolay, 2011
Tiorka: Niampisahotaka Ny Valantserasera Ny Horakora-panoherana ilay Mpanankato Kiorda
Aynur Doğan, mpanankato Kiorda-Tiorka, no nohorakorahan'ny ampahany tamin'ireo mpijery nandritra ilay fampisehoana ankalamanjana Istanbul Jazz Festival satria nanao hira tamin'ny teny Kiorda izy. Niredona ny hiram-pirenena Tiorka ny sasany tamin'ireo mpijery ho fanoherana ny zava-miseho, raha toa ka nanohana ilay mpihira kosa ny mpijery hafa. Nony farany dia niala teo ambonin'ny lampihazo...