GlobalVoices anaty

Tiorka

Tahiry Sokajinteny · 8 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Tiorka

04/05/2013

Video Lahatsoratra
LAHATSARY: Famoretan'ny Polisy Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tamin'ny 1 Mey

Tohin'ny lahatsoratra

Olo-tsotra 25 sy polisy 22 no naratra nandritra ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny polisy Tiorka sy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 1 Mey tao Istanbul, lehilahy iray no voalaza fa jamba ny masony ilany...

14/04/2013

Miteny Hentitra Ny Vehivavy Tiorka: Vatako, Fanapahan-kevitro

Tohin'ny lahatsoratra

sinjo sahady fa mbola be ny làlana hodiavin-dry zareo sy ny ady ho atrehany mandra-pahatongan'ny hoe azy ireo 100% ny fanapahan-kevitra ny amin'izy hanaovany ny vatany na ny fiainany. Ambaran'i Baran Mavzer amintsika ny antony mahatonga ny adin'ireo vehivavy Tiorka ho mbola henjana, mba hahazoany sy hitehirizany ny zony araka ny lalàna sy ny maha-olona, na dia tsara toerana kokoa aza ry zareo miohatra amin'ireo marobe any amin'ny tontolo Silamo.

30/01/2013

Sazy An-tranomaizina Mandra-pahafaty No Azon'i Pınar Selek Taorian'ny Fotoam-pitsarana azy Naharitra 15 Taona

Tohin'ny lahatsoratra

Pınar Selek, sosiology sady mpanoratra monina ao Strasbourg, no efa voampanga fa nidaroka baomba tao amin'ny tsenan-tsakay ao Istanbul, voaheloka higadra mandra-pahafaty ao amin'ny fonjan'i Torkia izy. Rehefa noafahana madiodio...

20/07/2012

Video Lahatsoratra
Azerbaijan: Mirehitra Ny Foibe Ara-Kolontsaina Heydar Aliyev

Tohin'ny lahatsoratra

Naharaisana tatitra ny hoe mirehitra ny Foibe ara-Kolotsaina Heydar Aliyev ao Baku, Azerbaijan. Ilay tranobe dia nosokafana tamin'ny May 2012 ary rafi-tranon'ilay mpanao maritrano metisy iraniana-britanika Zaha Hadid.

25/10/2011

Torkia: Ezaka Fifanampiana An-tSerasera Ho An'ny Tratran'ny Fihovitry ny Tany

Tohin'ny lahatsoratra

Tratran'ny fihovitry ny tany lehibe mahatratra ny refy 7,2 ny alahady teo ny tany amin'ny faritra atsinanan'i Torkia. Fehezin'i Kubra ny sasantsasany amin'ny fifanampiana an-tserasera, manampy ny ezaka vonjy taitra sy mahaolombelona efa eny an-kianja.

12/08/2011

Video Lahatsoratra
Siria: Famoriam-bahoaka Any Amin'ny Tanàn-dehibe Maneran-tany, Manohitra Na Momba An'i Bashar

Heno maneran-tany ny momba ireo hetsika any Siria. Nivory tany amin'ny ankabeazan'ireo tanàn-dehibe maneran-tany ireo Siriana anaty fikambanan'ny zanaka am-pielezana, na mitaky ny fionganan'i Bashar Al Assad sy ny fitondràna izany, na mihirahira ny fitiavany azy. Jereo ity fanangonana lahatsary ity mampiseho ireo fihetsiketsehana maneran-tany.

22/07/2011

Tiorka: Niampisahotaka Ny Valantserasera Ny Horakora-panoherana ilay Mpanankato Kiorda

Tohin'ny lahatsoratra

Aynur Doğan, mpanankato Kiorda-Tiorka, no nohorakorahan'ny ampahany tamin'ireo mpijery nandritra ilay fampisehoana ankalamanjana Istanbul Jazz Festival satria nanao hira tamin'ny teny Kiorda izy. Niredona ny hiram-pirenena Tiorka ny sasany tamin'ireo mpijery...

19/02/2009

Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”

Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny