Tantara misongadina momba ny Swahili
Afrika: Miteraka adihevitra ny fahatongavan’ny tambajotra Seacom
Miteraka adihevitra sy fahalinana teo amin’ny tontolon’ny fitoraham-blaogy Afrikana ny fahatongavana tambajotra ambany ranomasina izay hampiakatra ny fatran'onja [bandwidth] sy hampidina ny sandan’ny fahazoana Aterineto manerana an’i Afrika. Nalefa nivantana tamin’ny Alakamisy i Seacom, izay mampifandray an’I Afrika atsimo, Tanzania, Kenia, Oganda ary Mozambique amin’i Eoropa sy Azia, ka hampiditra an’I Afrika Atsinanana sy Atsimo ho ao anatin'ny tambajotra manana fatran'onja midadasika.
Tanzania : Narahin-dranomaso ny Eid
Inona no eritreretr'ireo mpitoraka blaogy Swahili avy ao Tanzania manoloana ny loza nitranga tamin'ny fankalazana ny Eid Al Fitr ? Olona 20 mantsy no maty tamin'ny fankalazana ny Eid Al Fitre tao amin'ny toeram-pikoranana natokana ho an'ny tanora ao Tabora, afovoan'i Tanzania. Raha ny tombatombana dia tanora 7 ka hatramin'ny ...




