The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Spanish Sokajy ara-teny

RSS ho an ny Spanish

2008-07-24

Arzantina:Nolavin'ny loholona ny fampiakarana ny haba amin'ny fanondranana ny vokatry ny fambolena

Ny 17 jolay 2008 teo dia nolavin’ny Antenimieran-doholona Arzantina ny volavolan-dalàna natolotry ny Filoha Cristina Fernández de Kirchner mba hampiakarana ny haba alaina amin’ny fanondranana ny vokatry ny fambolena. Nizara mitovy ho antsasany avy ny vato narotsak’ireo loholona, 36 nandany ary 36 nitsipaka, i Julio Cobos, Filoha lefitra arzantina, izay voatendrin’ny ...

2008-07-12

Bolivia

Dora Romero ao amin'ny Las Ideas Son Primero [es] no nanamarika ny fisian'ny filaharana manoloana ny fivarotam-panafody ao an-tanànan'i El Alto, Bolivia. Manontany tena izy raha marary vokatry ny hatsiaka ny ankamaroan'ny olona na noho ny fahazarana mihinam-panafody fotsiny amin'izao halavana filaharana izao.

2008-07-04

Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo

Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra ...

2008-07-03

Kôlômbia : Hanonerana izay fotoana very izay

Tienen Huevo mankalaza ny fanafahana an-dRamatoa Ingrid Betancourt izay nalain'ny Mpiady anaty akatan'ny FARC ary notazoniny an-keriny [nandritra ny 2318 andro] any Kôlòmbia : Bienvenida Ingrid... Estamos a la espera de recuperar el tiempo perdido... “Tongasoa Ingrid... Tsy andrinay ny hanonerana izay fotoana very izay... ” [FANAMPIM-PANAZAVANA : kandida ho filoham-pirenena, nalain'ny mpiady ...

2008-05-29

Nikaragoa : Fanaraha-maso akaiky ny tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola madinika”

Nandritra ny fandaharana “Esta Semana” [Ity herinandro ity] izay fandaharana fampahalalam-baovao maharitra 60 minitra mpandeha amin'ny fahitalavitra any Nikaragoa, nisy tatitra sy fanadihadiana ny mikasika ny fomba fanao manodidina ny Usura Cero (zanabola aotra) izay tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola kely” hoan'ireo vehivavy izay mpandraharaha “madinika”. Naren Mayorga no mamintina ao amin'ny ¿Y ...

2008-05-18

Argentina

Efa vonona ny soritr'asa fampitohizana amin'ny alalan'ny fiaran-dalamby haingam-pandeha ny tanànan'i Buenos Aires sy Rosario ary Córdboa izay mitentina 4 miliara dollars ety ampanombohana. Manolotra lisitra lavabe ny antony ilazany fa hevitra tsy masaka io soritr'asa io ary hanimba vondron'olona maro isan-kazarany. [es]

2008-04-22

Paragoay : Eveka taloha no ho filoha vaovao

Nifidy ny ho filoha vaovaony i Paraguay tamin’ny 20 avrily lasa teo. Nahangona ny ampaham-bato mamakaiky ny 41% ilay evekan’ny fiangonana katolika romana teo aloha Fernando Lugo. Namarana hatreo ny fitantanan’ny antoko Colorado nandritra ny 61 taona ny fitondrana izany sady fahavitan’ny filoha Nicanor Duarte ny fotoam-piasany amin’ny 15 aogositra ...

2008-04-12

Arzentina : Mpianatra sekoly ambony mampiasa lahatsary aseho aterineto hitaterany ny olana mianjady aminy

Te-hisintona ny mason’ny famoaham-baovao[es] hilazany ny olana mahazo azy ny mpianatry ny sekoly ambony arzantina tamin’ny fametrahana lahatsary tao amin’ny YouTube : mila trano lehibe afaka ianarana ry zareo. Amin’izao fotoana izao dia any amin’ny sekoly fanabeazana fototra no mamonjy sekoly ny Ipem 112 “César Iñíguez Montenegro”, any Sebastián Elcano, ...

2008-04-09

Kiobà : Nahazo loka lehibe ny mpamaham-bolongana nosakanana Yoani Sánchez

Yoani Sánchez angamba no mpamaham-bolongana malaza indrindra any Kiobà, firenena izay voaramaso sy voafetra ny fahafaha-miditra amin’ny aterineto. Malaza dia malaza ho an’izay rehetra liana momba an’i Kiobà ny bolongan-dravehivavy Generación Y [es] ary avoitran’ny haino aman-jery tandrefana malaza tahaka ny The International Herald Tribune, The New York Times, Público [es] ...

2008-04-02

Nikaragoa : Fahafahan'ny mponina mampiasa Aterineto

Cristhian no mitatitra ao amin'ny blaogy Economía y Más fa i Nikaragoa no manana ny taha iva indrindra amin'ny fahafahan'ny mponina mampiasa Aterineto any Ivon'i Amerika : En la actualidad Nicaragua se encuentra en el ultimo lugar, en términos de acceso a Internet, a nivel Centroamericano incluyendo a Republica Dominicana (este ...