The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Espaniola Tahiry Sokajinteny

RSS ho an i Espaniola

2009-09-29

Kôlômbia: Aiza no ahitana ny Buñuelo tsara indrindra

Ny buñuelo dia sakafo tena Kolombiana izay mahanoana na maheno ny anarany fotsiny aza. Izay no nitranga tamina vondrona Kolombiana mpampiasa twitter, izay nisafidy ny hiresaka momba ny toerana tiany fividianan-dry zareo ny buñuelo, toy ireo sakafo mampiavaka an-dry zareo manokana. Nanosika ny maro hiazakazaka hivoaka hividy ilay sakafo ihany koa izy ity.

2009-09-28

Porto Rico: Adihevitra momba ny sivanaVideo post

Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.

2009-09-07

Repoblika Dominikana : Halatra tariby sy vy

Tariby sy vy maro no misy mangalatra eny an-dàlambe, amin'ireo vakoka sasantsasany, sy ireo tranobe manerana ny Repoblika Dominikana mba hamidy sy haondrana ka mahasanganehana ny maro.

Etazonia, Meksika: Mi-tweet avy eny an'habakabaka ilay mpanamory sambondanitra José Hernández

Eo am-piodinana manodidina ny tany izao ilay mpanamory sambondanitra José Hernández ao anatin''ilay iraka ataon'ny sambondanitra ho eny amin'ny Toby an'habakabaka iraisampirenena, ary mi-tweet izy mandritra ity iraka ataony ity..

2009-08-30

Ekoatora: Ny hiaka ho amin'ny fahaleovantena roanjato taona lasa izay

Mankalaza ny faha-roanjato taonan'ny hiaka ho amin'ny fahaleovantenany amin'ny Espana sy nanampy ireo faritra hanaraka izany ohatra izany i Ekoatora.

2009-08-20

Repoblika Dominikana: Ho voavaha ve ny olan'ny delestazy?

Isaky ny faha-16 Aogositra any amin'ny Repoblika Dominikana, dia fahazaran'ny governemanta amin'io daty io satria feno indray ny taona niasany, ny fanoloan'ny filoha Leonel Fernández ny mpikambana sasantsasany ao amin'ny governemantany. Tsy dia nisy loatra ny fanovana lehibe, fa nisy kosa ny iray izay niteraka adihevitra. Ny filoha lefitry ...

2009-08-18

Bolivia: Fetin'i St Roch ho fanomezam-boninahitra ny alika

Isaky ny 16 Aogositra no hankalazan'ny Boliviana ny fetin'ny St Roch (na San Roque amin'ny teny Espaniola), izay olo-masina mpiaro ny alika. Mety ho tsy dia malaza manerana ny firenena ny tantaran'ity olo-masina Frantsay ity, saingy manararaotra ihany ny Boliviana hanome fotoana manokana ny biby fiompiny ao an-trano. Mety ho tsy ...

Kioba: Ny Maleconazo

Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo

2009-08-15

Porto Rico: miady tanim-panjakana

Mponin'i Villas del Sol - saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria. Vao namoaka didy ny fitondrana Porto Rikana hanaisotra any Villas del Sol fokontany any Toa Baja, fianakaviana miisa 200 lazainy fa mibodo ny tany izay mora tratran'ny tondra-drano. Nandefa gazy mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana ary nanafika ...

2009-08-14

Uruguay: CIP, Vohikala ho an’ireo horonantsary sy ireo sarimihetsika fohyVideo post

Antsoin-dry zareo hoe fomba iray hafa hamoahana ireo video vokariny izy ity mba tsy hifaninanany amin’ireny video novokarina tany an-trano ho fankalazana tsingerintaona ireny, ireo videoan-tsaka ary ireo horonantsarin-kira ho an’ny karaoke. Tanora roa avy any Uruguay no nanapa-kevitra hanova ny zava-misy ka namorona ny Cip, vohikala natokana hanehoana ny sarimihetsika novokarin'ireo mpamokatra horonantsary mahaleontena, izay afaka maka ny sarimihetsika nataon-dry zareo avy any amin’ny toeran-drakitra any ary mizara izany amina fiaraha-monina midadasika kokoa