Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola

Kiobà, Etazonia: Manitatra ny sampan'oliva ?

  07 Janoary 2021

Nanambara fanovana lehibe tamin'ny politikan'i Etazonia sasany ny fitondran'i Obama, natao “hanoloran-tanana ny vahoaka Kiobana hanohanana ny fanirian'izy ireo hamaritra malalaka ny hoavin'ny fireneny.” Na dia nanala ny famerana tamin'ny fivezivezena sy ny fandefasana vola aza ny fiovan'ny politika ary nanokatra làlana ho an'ny fanatsarana ny fifandraisan-davitra bebe kokoa tao amin'ny nosy dia misy ny bilaogera sasany manahy fa tsy lasa lavitra loatra io fepetra io....

Goatemalà: Dokambarotra tsy mahasarika

  15 Novambra 2020

Niteraka resabe ny andiana dokambarotra nataon'ny orinasa mpanao kiraro avy any Goatemalà mampiseho vehivavy maty manao kiraro lamaody. Heverina ho tsy mety izany dokambarotra izany ao amin'ity firenena ity izay ahitana ny taha famonoam-behivavy avo. Manohitra izany ary manambara ny fanaovana ankivy an'ity orinasa mpanao kiraro ity ireo bilaogera Goatemalteka.

Kolombia: Fetiben'ny zavakanto, tononkalo ary voninkazo tany Medellín

  18 Oktobra 2020

Nanoratra momba ny famaranana ny Fetiben'ny Zavakanto MDE07 ireo bilaogera kolombiana, hetsika iray miezaka ny hamerina ny zavakanto maoderina ho amin'ny fifanakalozan-kevitra ao an-toerana sy hamerina izany ho an'ny fiainana andavan'andron'ny olompirenena. Niresaka momba ny fetiben'ny Tononkalo Iraisampirenena sy ny Foaran'ny Voninkazo ihany koa izy ireo.

Venezoela: Mitantara ny tantaran'ny firenena amin'ny alàlan'ny sarimihetsika

  03 Oktobra 2020

Nahavita nampiseho ny tantaran'ny firenena sy nampifanaraka ny sanganasan'ny literatiora malaza tamin'ny alàlan'ny sarimihetsika izay nankasitrahan'ny besinimaro ny vondrona tanora mpanatontosa sarimihetsika Venezoeliainna. Heverina ho tena maherisetra ireo sarimihetsika Venezoelianina maro tany aloha ary maneho ny fahaiza-mamorona vaovao ny fipoiran'ity karazana sarimihetsika vaovao ity.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es