Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Avrily, 2015
Vehivavy Ekoatoriana Iray Miady Ny Zony Hamonjena Ny Zaobaviny Amin'ny Famindràna Taova
Daniela Peralta miady amin'ny lalàna Ekoatoriana izay mandràra azy tsy hanome taova hamonjena ny zaobaviny mararin'ny tsy fahafahan'ny voa miasa ara-dalàna.
LAHATSARY: Milaza Izao Tontolo Izao Hoe #FreeZone9Bloggers (Avotsory Ireo Bilaogera 9)
Manaramarika ny herintaona nisamborana ireo bilaogeran'ny Zone9 ny Global Voices amin'ny alalan'ity lahatsary nifarimbonana ho fanohanana azy ireo ity. Lazao miaraka aminay hoe: #FreeZone9Bloggers!
Fihaonambe Faha-7-n'Ireo Firenena Any Amerika Ao Anatin'ny Bitsika 35
Manangona bitsika 35 avy amin'ny solontenan'ireo firenena 35 izay nandray anjara tamin'ilay Fihaonam-be fahafiton'ireo firenena any Amerika natao tany Panama ny Global Voices.
Misy Teny Iray Banga Tamin'ny Tantaran'ny Fandripahana Armeniana: Ny Rariny
Dimy tamin'ireo firenena Amerikana Latina ihany no nankato ny fisian'ny famonoana ny Armeniana, anisan'izany i Arzantina, mitantara ny tantaran'ny ray aman-drenibeny ny mpanoratra gazety iray.
Nahazo Fialokalofana tao Espaina ihany ilay Lesbiana Nandositra Fanenjehana tao Kamerona
Na dia firenena malalaka indrindra manerana izao tontolo izao amin'ny fanajana ny zon'ny LGBT aza i Espaina, dia tsy mirona loatra amin'ny fanomezana fialokalofana kosa ny andrim-panjakana ao aminy.
Manao Asam-Panoloratena Maimaimpoana Ny Mpifindra-monina Kolombiana ao Shily Ho Fanoherana Ny Fitsarana An-tendrony Atao Azy Ireo
Naneho firaisankina mahavariana tamin'ny alalan'ny fikarakarana hetsika fanampiana (fanadiovan-dalana) tao an-tanànan'i Shily ireo mpifindra monina Kolombiana, manohitra ireo fitsarana an-tendrony ataon'ny Shiliana maro manohitra ny mpifindra monina.
Misaona An'i Eduardo Galeano, Iray Amin'ireo Mpanoratra Goavana Ao Amin'ny Kaontinanta I Amerika Latina
Fantatra kokoa tamin'ny boky malaza nosoratany “Ny Lalandrà Misokatr'i Amerika Latinina”, namoy ny ainy tamin'ny Alatsinainy 13 Aprily tao Montevideo ilay mpanoratra Orogoaina sady mpanoratra gazety Eduardo Galeano.
Madrid : Firaisankina Teraka Avy Amin'ny Sisanà Korontam-Baton'ny Trano Iray Noravàna
" Mihevitra ry zareo fa nandresy fa ny tsy fantany dia vahoaka maro mahafatifaty no hanorina indray ny #On29 #ReconstrucciON29 "